Agnôstisisma
Ny agnôstisma dia toe-tsaina filôzôfika sy finoana izay mamaly ny fanontaniana momba ny fivavahana sy ny metafizika amin' ny alalan' ny fisalasalana (skeptisisma), sady ilazana fa tsy afaka miditra any amin' izay manam-pisiana tsy miankina ny sain' olombelona.
Mifototra amin' ny fisalasalana ny agnôstisisma, amin' ny filazana fa tsy azo fantarina izay rehetra tsy azo anaovana andrana. Araka ny Agnôstika dia tsy azo atao ny miditra amin' izay manam-pisiana tsy miankina, koa noho izany dia tsy azo atao ny hamaha ny adihevitra momba ny fisian' ny andriamanitra na ny fisian' Andriamanitra. Tsy misy ny porofo tsy miangatra momba izany ary tsy azo atao ny maneho hevitra momba izany.
Mazàna no tsy manome lanja na manao ho masina ny fivavahana (mpaminany, mesia, soratra masina, sns.) sy ny andrim-pitantanana misy ao amin' izany (mpitondra fivavahana, fombafomba, didy isan-karazany, sns.) ny ny Agnôstika. Eo imason' ny Agnôstika dia manana fomban' olombelona loatra ny fivavahana noho ny fomba fiasany sy ny dinamika antrôpôlôjikany izay iorenany (fanohanana ara-tsaina manoloana ny fahafatesana, fanoharana momba ny andriamanitra mpamorona an' izao rehetra izao miforotra amin' ny olombelona , sns.) mba hahafahan' izy ireo manana fifamatorana mivantana amin' ny endrika faharanitan-tsaina mihoatra ny natoraly mety hisy sy vinavinain' ny eritreretina.