Teisma

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny teisma dia fiheverana filozofika na finoana izay ilazana fa misy andriamanitra (na Andriamanitra) izay manan-tsitrapo manokana, tokana ary antom-pisian'izao tontolo izao. Ny teisma dia tsy voatery ho finoana ara-pivavahana. Araka ny fampianarana teista dia Andriamanitra no mifehy mivantana izao tontolo izao. Maro ny endrika isehoan'ny teisma, ka fantatra indrindra amin'izany ny monoteisma. Raha raisina amin'ny heviny mivelatra ny teny hoe teisma dia mahafaoka ny finoana sy ny filozofia rehetra izay mampianatra ny fisian'ny andriamanitra na an'Andriamanitra ka isan'izany ny politeisma sy ny panteisma ary ny panenteisma sns. Ny deisma dia teisma takarina amin'ny alalan'ny saina fotsiny.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]