Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia
Ny Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia dia faritra arovana mirefy 155 km2, any amin' ny 150 km atsinanan' Antananarivo, ahitana ala tsy vaky ao amin' ny Faritra Alaotra-Mangoro any amin' ny tapany atsinanan' i Madagasikara.[1] Eo anelanelan' ny 800 sy 1 260 m ny haavo misy ilay valan-javaboary, sady manana toetany mando. 1 700 mm ny salan' ny rotsak' orana isan-taona, ary 210 andro isan-taona ny filatsahan' ny orana. Toeram-ponenan' ny karazan-javamananaina maro dia maro ity ala trôpikaly ity, ao anatin' izany ny karazam-biby tsy fahita firy sy atahorana ho lany tamingana, anisan' izany ny karazana gidro miisa 11. Ny ampahany roa amin' io valan-javaboary io dia ny Valan-javaboarin' i Mantadia sy ny Tahirin-javaboarin' Analamazoatra, izay malaza amin' ny fisian' ny gidro lehibe eto Madagasikara, dia ny babakoto na endrina (Indri indri).[1]
Tantarany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 2007 no voatendry ho anisan' ny Lova Iraisam-Pirenena an' ny Ala Mando any Atsinanana ilay valam-pirenena. Tsy voafantina ho amin' ny lisitra farany anefa ny ala ao aminy.[2]
Anisan' ny valan-javaboahary mora tsidihina indrindra eto Madagasikara ho an' ny avy ao Antananarivo, izay lalana maharitra 3 ora raha andehanana fiara miantsinanana amin' ny lalana vita tara, dia ny lalam-pirenena faha-2 (RN2). Na dia akaikin' Analamazaotra sy ny foibem-pitantanana ny vala aza Antsampanana amin' ny RN2 dia tsy maintsy misy ny fitaterana manokana na alaina any amin' ny hôtely eo an-toerana vao tonga any Mantadia. Matetika hita any amin' ny faritra sasany ao amin' ilay valan-javaboary ny fitsangantsanganana maharitra 1-6 ora. Ilaina ny mpitari-dalana eo an-toerana ho an' ny mpitsidika miditra amin' ny ampahany amin' ilay valan-javaboary.[1]
Zavaboary
[hanova | hanova ny fango]
Ny ala mikitroka ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia dia fonenan' ny karazan-javamananaina manan-danja samihafa, anisan' izany ny karazana tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara na ao amin' io valan-javabory io manokana sy atahorana ho lany tamingana. Ny 77 % amin' ny karazan-javamaniry, ny 80 % amin' ny karazam-biby, ary ny 58 % amn' ny karazam-borona dia tsy fahita any ivelany.
Tontolo voajanahary, tandindomin-doza
[hanova | hanova ny fango]
Ahitana ala voalohany 80 % ary ala faharoa 13 %, vokatry ny asan' ny olombelona ny Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia. Tandindomin-doza ny rohivoary noho ny doro tanety sy ny tavy, ny fitrandrahana hazo tsy ara-dalàna, ny fihazana tsy ara-dalàna, ary ny fanangonana zavamaniry arovana. Ity toe-javatra ity dia azo hazavaina amin' ny ampahany noho ny tsindry vokatry ny fihabetsahan ny mponina sy ny tsindry ara-piarahamonina izay fahita amin' ny firenena mahantra indrindra eran-tany. Tamin' ny taona 2001 dia notombanana ho ny 5 % amin' ilay faritra no voakasiky ny fambolena nentim-paharazana.[3]
Karazam-biby
[hanova | hanova ny fango]
Ny valan-javaboary dia ahitana karazana vorona 108, karazana biby mampinono 72, anisan' izany ny karazana gidro (Lemuridae) 14; karazana biby mandady 51, karazana Amphibia 84, ary karazana bibikely 350. Ny 82 % amin' ny karazan-javamananaina ao amin' ilay valan-javaboary no tsy fahita any ivelany.
Izao ny karazana hita ao:
- ny bibilava manditra Sanzinia madagascariensis,
- ny varika Eulemur fulvus, ny sifaka Propithecus diadema, ny varika Varecia variegata, ny haihay (Daubentonia madagascariensis), ny gidro Eulemur rubriventer, ny gidro Microcebus rufus,
- ny vorona Terpsiphone mutata, ny vorona Motacilla flaviventris, ny vorona Aviceda madagascariensis, ny foditany Crossleyia xanthophrys, ny vorona Coua caerulea,
- ny lolo Chrysiridia rhipheus, ny hala Caerostris darwini,
- ny tanalahy Calumma parsonii,
- ny trandraka Tenrec ecaudatus, ny vorona Coua reynaudii,
- ny trondro Ratsirakia legendrei sns.[3]
Karazan-javamaniry
[hanova | hanova ny fango]Maro koa ny karazan-javamaniry ao amin' ilay valan-javaboary: ny karazana ao amin' ny fianakaviana Orchidaceae, ny Psidium cattleianum, ny karazana ao amin' ny vondrona Eucalyptus, ny karazana volo ao amin' ny fianakavian-javamaniry Bambusoideae sns.[3]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 1,1 et 1,2 https://madagascar-circuits-tours.com/deux-jours-a-andasibe/
- ↑ https://www.voyagemadagascar.com/guide-madagascar/attraction/le-parc-national-andasibe-mantadia
- ↑ 3,0 3,1 et 3,2 https://parcs-madagascar.com/parc/mantadia/