Folany (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy folany ao Nizera

Ny Folany na Peola na Folbe na Fola na Hilany dia vahoaka afrikana miely amin' ny faritra midadasika indrindra ao Sahel sy ao Afrika Andrefana, hatrany amin' ny morontsiraky ny Ranomasimbe Atlantika ka hatrany Tsady ary hatrany Kamerona ka hatrany amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany. Ny Folany dia mety ho mpiompy mandehandeha na sady mpiompy no mpamboly.

Faritra midadasika no onenan' izy ireo hatrany atsinanana ka hatrany andrefana ao atsimon' i Sahara. Miparitaka toy ny antoko-nosy izy ireo ka matetika ny zana-bondrona tsirairay dia tsy misy fifandraisana. Ireto avy ny firenena ahitana ny Folany: Benîno, Borkina Fasô, Eritrea, Ganà, Ginea, Ginea Bisao, Kamerona, Kôtidivoara, Maly, Maoritania, Nizera, Nizeria, Repoblikan' i Afrika Afovoany, Senegaly, Gambia, Siera Leôna, Sodàna, Sodàna Atsimo, Tôgô ary Tsady.

Miisa any amin' ny 35 tapitrisa any ho any ny Folany. Ny fiteny fola na folany no fitenin' ny ankamaroan' izy ireo. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny ankamaroany.