Fivavahana ao Torkia

Avy amin'i Wikipedia
Ny trano fivavahana lehibe fanta-daza indrindra any Torkia, ny Hagia Sophia, izay ampiasaina ho môske ankehitrny dia naorin' tamin' ny emperora Jostiniano tany Kônstantinôpla tamin' ny taonjato faha-6 tao amin' ny Empira Bizantina.

Ny fivavahana ao Torkia dia anjakan' ny finoana silamo. Na izany anefa dia fanjakana laîka tsy misy fivavaham-panjakana ôfisialy i Torkia; ny lalàm-panorenana dia manome fahalalahana amin' ny fivavahana sy amin' ny fieritreretana. Ny fanadihadianan nataon' i Ipsos tamin' ny taona 2016, nanadihady olon-dehibe miisa 17 180 manerana ny firenena 22, dia nahita fa ny finoana silamo no fivavahana lehibe indrindra ao Torkia, izay arahin' ny 82 % amin' ny fitambaran' ny mponina; ny 13 % amin' ny mponina dia olona tsy mpivavaka, raha ny 2 % kosa no Kristianina. Ny haavon' ny fanarahan' ny mponina ara-pivavahana izay nanaovan' ny KONDA fanadihadiana dia nahita fa ny 9,7 % amin' ny mponina dia "manolo-tena tanteraka", ny 52 % ireo izay "miezaka manatanteraka ny adidy ara-pivavahana", ny 34,3 % izay "tsy manatanteraka adidy ara-pivavahana" ary ny 3,2 % "tsy mpino/tsy manam-pivavahana". Ny fitsapan-kevitra iray hafa nataon' i Gezici Araştırma tamin' ny taona 2020 dia nanadihady olona 1 062 tao amin' ny faritany miisa 12 ary nahita fa ny 28,5 % amin' ny Taranaka Z dia milaza ho tsy mpivavaka. Araka ny fanadihadiana nataon' ny mpanao fitsapan-kevitra KONDA dia nitombo avo telo heny ny isan-jaton' ny tsy mino an' Andriamanitra ao Torkia tao anatin' ny 10 taona ary niakatra avy amin' ny 1 % tamin' ny 2008 ka hatramin' ny 3 % tamin' ny 2018, ny isan-jaton' ny tsy mpino na agnôstika dia niakatra avy amin' ny 1% ka hatramin' ny 2%, ary ny 90 % amin' ny Tiorka tsy mpivavaka dia latsaky ny 35 taona.

Fivavahana abrahamika[hanova | hanova ny fango]

Ny silamo[hanova | hanova ny fango]

Môske ao Ankara

Ny CIA World Factbook dia mitatitra fa ny silamo no fivavahan' ny 99,8 %n' ny mponina, ka ny silamo sonita no sampana lehibe indrindra, raha ny 0,2 % kosa dia Kristiana sy Jiosy. Na izany aza, tsy misy antontan' isa ôfisialy avy amin' ny governemanta milaza ny finoan' ny vahoaka Tiorka, ary tsy voarakitra ao amin' ny fanisam-bahoaka ao amin' ilay firenena ny angona momba ny fivavahana. Milaza ny manampahaizana fa mety ho 15 ka hatramin' ny 20 tapitrisa ny Alevy, raha ny Federasiona Alevy-Bektaşy kosa milaza fa manodidina ny 25 tapitrisa. Araka ny gazetiboky Aksiyon dia telo tapitrisa (4,2 %) ny isan' ny Mozilmana siitan' ny Roa Ambin' ny Folo (tsy anisan' izany ny Alevy).

Ny kristianisma[hanova | hanova ny fango]

Misy trano fiangonana lehbe sy madinika miisa 234 velona ny ao Istanbul, anisan' izany ny Eglizy S. Antonio di Padova (katôlika) eo amin' ny araben' i İstiklal ao Beyoğlu (Pera).

Ny isan-jaton' ny Kristianina any Torkia dia nidina avy amin' ny 17,5 % (mpino telo tapitrisa amin' ny mponina 16 tapitrisa) ka nankamin' ny 2,5 % tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Izany dia vokatry ny fandripahana ny Armeniana indrindraindrindra, ny fifanakalozam-bahoaka teo amin' i Gresy sy Torkia ary ny fifindra-monin' ny Kristiana nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 ary nihanatanjaka tamin' ny ampahefany voalohany amin' ny taonjato faha-20. Amin' izao fotoana izao dia misy olona maherin' ny 120 000 – 320 000 avy amin' ny antokom-pinoana kristianina isan-karazany, izay latsaky ny 0,2 % amin' ny mponina ao Torkia, anisan' izany ny 80 000 eo ho ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdoksa Atsinanana, ny 35 000 ao amin' ny Eglizy Katôlika Rômana, ny 18 000 ao amin' ny Fiangonana Grika Antiôkiana, ny 5 000 ny ao amin' ny Fiangonana Grika Ôrtôdôksa, ny Prôtestanta vitsy kely ary ny 5 000 ao amin' ny môrmônisma. Amin' izao fotoana izao dia misy fiangonana miisa 398 misokatra ho an' ny fanompoam-pivavahana any Torkia.

Ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]

Ny Sinagôga Hemdat Israel ao Istanbul.

I Torkia dia misy Jiosy vitsy miisa 26 000 teo ho eo, anisan' izany ny Sefarada izay maro anisa indrindra. I Torkia no manana vondrom-piarahamonina jiosy lehibe indrindra amin' ny firenena be Mozilmama.

Fivavahana abrahamika hafa[hanova | hanova ny fango]

Bahaisma[hanova | hanova ny fango]

Ny bahaisma any Torkia dia avy amin' i Bahá'u'lláh mpanorina azy, izay nataon' ny Ôtômana sesitany tany Kônstantinôpla (Istanbul amin' izao fotoana izao). Tsy afaka misoratra anarana amin' ny governemanta amin' ny fomba ôfisialy ny Bahay, saingy mety ho 10 000 ka hatramin' ny 20 000 ny isany.

Iazidisma[hanova | hanova ny fango]

Ny ampahany betsaka amin' ny Iazidy teratany any Torkia dia nandositra an' ilay firenena ho any Armenia sy Jeôrjia ankehitriny nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19. Misy vondrom-piarahamonina fanampiny any Rosia sy any Alemana noho ny fifindra-monina vao haingana. Nihena be ny Iazidy any Torkia nandritra ny taonjato faha-20. Nifindra monina any Eorôpa ny ankamaroan' izy ireo, indrindra fa any Alemaina; ireo izay nijanona dia mipetraka any amin' ny vohitra maeo ao amin' ny foiben' izy ireo taloha tao Tur Abdin.

Finoana hafa[hanova | hanova ny fango]

Tengrisma[hanova | hanova ny fango]

Ny tengrisma dia anisan' ireo fivavahan' ny vitsy anisa ao Torkia. Ny mahaliana amin' ny tengrisma dia izy fivavahanan' ny vahoaka torkika taloha, izay nitombo tato anatin' ny taona vitsivitsy ary nitombo ny isan' ny olona mihevitra ny tenany ho Tengrista.

Ateisma sy deisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fitsapan-kevitra natao teo antenatenan' ny taompolo 2010 dia 2,9 % amin' ny Tiorka namaly fanontaniana no fantatra fa tsy mino an' Andriamanitra (na Ateista). Niorina tamin’ ny taona 2014 ny Fikambanan’ ny Ateisma, izay fikambanana ôfisialy voalohany tsy mino an’ Andriamanitra any Balkana sy Atsinanana Afovoany. Nilaza ny manam-pahefana ara-pivavahana sy tsy ara-pivavahana sasany fa mitombo ny ateisma sy ny deisma eo amin’ ny vahoaka tiorka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]