CIA World Factbook

Avy amin'i Wikipedia
Ny fonon' ny famoahana ny The World Factbook nataon' ny governemanta amerikana tamin' ny taona 2016-2017.

Ny The World Factbook dia famoaham-baovao ôfisialy isan-taona an' ny Central Intelligence Agency (CIA) miresaka amin' ny antsipiriany momba ny firenena rehetra eto amin' izao tontolo izao, ara-jeôgrafia, ara-demôgrafia, ara-pôlitika, ara-toekarena, ara-pifandraisana ary ara-miaramila.

Ny The World Factbook dia noforonin' ny CIA hampiasain' ny fikambanana miankina amin' ny fanjakana, noho izany dia natao indrindra hahafeno ny fepetra takian' izy ireo ny fomba fanoratra sy ny fandaminana ny takila ary ny zavatra resahina ao aminy. Na izany aza, matetika izy no ampiasain' ny mpikaroka eny amin' ny oniversite sy ny tranokala ary ny famoaham-boky tsy miankina amin' ny fanjakana. Amin' ny maha-vokatry ny governemantan' i Etazonia azy dia eo amin' ny sehatra azon' ny daholobe jerena izy.