Fiangonana Ôrtôdôksa Grika

Avy amin'i Wikipedia

Ny andian-teny hoe Fiangonana Ôrtôdôksa Grika na Fiangonana Ôrtôdôksa amin' ny Kolontsaina Grika dia misy heviny telo.

Ny heviny mivelatra kokoa dia manondro ny kristianisma ôrtôdôksa (kalkedôniana), indraindray antsoina koa hoe "Ôrtôdôksa Tatsinanana", "Katôlika Grika", na "Fiangonana Grika" amin' ny ankapobeny.

Ny heviny faharoa sy tery kokoa dia ilazana ny "iray amin' ny fiangonana mahaleo tena maromaro ao anatin' ny fiombonana maneran-tanin' ny kristianisma ôrtôdôksa izay mitazona ny fampiasana ny teny grika amin' ny aharaham-pivavahana ôfisialy”.

Ny heviny fahatelo dia manondro ny Fiangonan' i Grisia, izay Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana miasa ao anatin' ny sisin-tanin' i Grisia ankehitriny.