Aller au contenu

Fiteny môre

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny môsy)

Ny fiteny môre na môôre na môsy dia fiteny ao Borkina Fasô tenenin' ny vahoaka atao hoe Môsy. Izy no fiteny be mpampiasa indrindra ao amin' io firenena io. Mihoatra ny 15 189 750 amin' ny 20 252 523 ny isan' ny olona miteny môre araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2018, izany hoe 75 %n' ny mponina. Fiteny ifaneranseran' ny vahoaka samihafa fiaviana ny fiteny môre, toy ny fiteny diola sy ny fiteny folfolde ao Borkina Fasô. Ao amin' ny vondrom-piteny vôltaika ny fiteny môre.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]