Fiteny ao Borkina Fasô

Avy amin'i Wikipedia
Vondrom-poko ara-piteny ao Borkina Fasô

Ny fiteny ao Borkina Fasô dia ahitana fiteny teratany afrikana mihoatra ny 70, miampy ny fiteny frantsay izay fiteny ôfisialy ao amin' io firenena io.

Ny fiteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ampiasaina indrindra amin' ny raharaham-panjakana, ny pôlitika, ny fitsarana, ary ny asa fanaovan-gazety. Amin' ny fitambarany, tombanana ho 69 ny fiteny ampiasaina ao amin' ity firenena ity, ka ny 60 amin' ireo dia fiteny teratany. Ny fiteny môôre (na môsy) no fiteny be mpampiasa indrindra any Borkina Fasô, ampiasain' ny antsasaky ny fitambaran' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany manodidina an' i Ouagadougou renivohitra. Ny 1,3 amin' ny mponina no mahafehy ny fiteny frantsay raha 13 % eo no mampiasa azy tsy feno.

Ny fiteny afrikana[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ny fiteny tenenina tany Borkina Fasô dia ny fiteny môôre na môsy (40,5% amin' ny mponina), ny fiteny folany na fola (29,3 %), ny fiteny gormantse (6,1 %), ny fiteny bambara (4,9 %), ny fiteny bisa (3,2 %), ny fiteny boamo (2,1 %), ny fiteny dagara (2 %), ny fiteny sàna (1,9 %), ny fiteny lobiry (1,8 %), ny fiteny liele (1,7 %), ny fiteny bôbô sy senôfo (1,4 % avy), ny fiteny nony (1,2 %), ny fiteny dafingy (1,1 %), ny fiteny tamaseka (1 %), ny fiteny kasema (0,7 %), ny fiteny goina (0,4 %), ny fiteny dôgôna sy sôngay ary goronsy (0,3 % avy), ny fiteny kô, kosase, sembla ary siamo (0,1 % avy), fitenim-pirenena hafa (5 %), fiteny afrikana hafa (0,2 %), fiteny frantsay (13 %), ary fiteny tsy teratany hafa (0,1 %).

Any andrefana, ny fiteny mande dia be mpampiasa, ny ankamaroany dia miteny diola (fantatra koa amin' ny anarana hoe fiteny jola), ny hafa anisan' izany ny fiteny bôbô sy ny fiteny samô ary ny fiteny marka. Miely patrana ny fiteny fola (na folany), indrindra any avaratra. Ny fiteny gormantse dia tenenina any atsinanana, fa ny fiteny bisa kosa no any atsimo.

Lisitry ny fiteny[hanova | hanova ny fango]

Izao ny lisitry ny fiteny ao Borkina Fasô: fiteny bambara, fiteny bisa, fiteny boamo, fiteny bôbô, fiteny dafingy, fiteny dagara, fiteny diola (na fiteny jola), fiteny dôgôna, fiteny fola (na fiteny folany), fiteny frantsay, fiteny goina, fiteny gormantse, fiteny goronsy, fiteny kasema, fiteny kô, fiteny kosase, fiteny liele, fiteny lobiry, fiteny mande, fiteny môre (na môsy), fiteny nony, fiteny sàna, fiteny sembla, fiteny senôfo, fiteny siamo, fiteny sôngay, fiteny tamaseka

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mombamomba an' i Borkina Fasô