Famantarana ny fiavian' ny andron' ny fitsarana

Avy amin'i Wikipedia

Ny famantarana ny andron' ny fitsarana (amin' ny teny arabo: أشراط الساعة / ) izay atao hoe koa famantaran' ny Ora (علامات الساعة) ao amin' ny fivavahana silamo dia andiana trangan-javatra sy fisehoan-javatra izay manondro fa efa akaiky ny andro fitsarana (qiyamah). Amin' izany dia resahina ny andiana famantarana madinika sy lehibe. Voalaza koa fa ny Mahdi (olona hidina avy any an-danitra) no hampifandray azy ireo. Ao amin' ny hadita dia voalaza fa hiseho aloha ny famantarana madinidinika, arahin' ny fahatongavan' ny Mahdi, ary avy eo dia ho avy ny famantarana lehibe. Iadian-kevitra raha mety hitranga miaraka na tsy maintsy miseho amin' ny fotoana samy hafa ireo famantarana ireo.

Ny maha samihafa ny famantarana lehibe sy ny famantarana madinidinika dia ny izao: hisy fiantraikany lehibe izay ho tsapan' ny rehetra ny famantarana lehibe, tsy ho ela dia harahin' ny fiafaran' izao tontolo izao. Raha ny amin' ny famantarana madinidinika kosa dia nanomboka niseho tamin' ny andron' ny Mpaminany ka mandraka androany, ary ny sasany mbola tsy niseho.

Ny famantarana madinidinika voalohany dia ny fisehoan' ny mpaminanin' ny finoana silamo, izay nilaza hoe: "Izaho sy ny ora dia nirahina tahaka ireo roa ireo", izany hoe "ny rantsan-tanana roa", ny fanondro sy ny rantsan-tanana afovoany, izany hoe, ny zava-mitranga momba azy ireo dia mifamatotra.

Famantarana lehibe[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny famantarana lehibe momba ny andro farany:

  1. Hiseho eo amin' ny olona ny fahalotoam-pitondrantena ka hisy ny hanao izany ampahibemaso, nefa hiharan' ny loza sy ny aretina tsy fantatry ny razany izy ireo;
  2. Hamitaka amin' ny fandanjana sy ny famarana (orinasa, varotra, sns) ny olona ka ho tratry ny mosary sy ny loza ary ny fampahoriana;
  3. Hitsahatra ny fiantrana, hanangonina ny fananany, ary holavina ny orana eny amin’ ny lanitra;
  4. Handika ny fanekeny tamin' Andriamanitra sy tamin' ny irak' Andriamanitra izy ireo ary Andriamanitra dia hamela ny fahavalony hanjaka amin' izy ireo ary haka ny sasany amin' izay ananany;
  5. Handray anjara amin' ny sihr sy shirk (famosaviana sy fanompoan-tsampy) ny lehilahy sy ny vehivavy; hivezivezy eran' izao tontolo izao izy ireo hanao fifanarahana amin' ny jiny, ka fahavoazana no haterak' izany;
  6. Raha tsy manapaka araka ny Bokin' i Allah ny mpitondra azy ireo ary raha tsy mikatsaka ny soa rehetra nambaran' i Allah, dia hampiadin' Allah izy samy izy.
  7. Hisy ady hahazoana indray an' i Kônstantinôpla (izany hoe i Istanbul)

Famantarana kely[hanova | hanova ny fango]

Indreto kosa ny famantarana kely momba ny andro farany:

  1. Ho tonga ny fitna (fahoriana) ary hanjavona ny khushoo (fatahorana an' Andriamanitra, fanajana an' Andriamanitra, sns.)
  2. Mety hiteny amin' ny hafa ny olona mandalo fasana hoe: "Enga anie ka izao no ho tranoko".
  3. Ho very ny fahavanonan-toetra, ary hapetraka eo am-pelatanan' izay tsy mendrika izany ny fahefana.
  4. Ho very ny fahalalana ary hihahaka ny tsy fahalalana ara-pivavahana.
  5. Ho matetika sy tampoka ary tsy ampoizina ny fahafatesana.
  6. Hitombo ny vono olona tsy misy dikany.
  7. Hihafaingana ny fotoana.
  8. Holavina ny hadita.
  9. Hiparitahan' ny riba (fananjanaham-bola), ny zina (fijangajangana, fivarotan-tena, fanolanana, sôdômia, firaisana ara-nofo amin-jazakely, firaisana ara-nofon' ny samy lahy na samy vavy, firaisana ara-nofo amin' olom-pady, firaisana ara-nofo amin' ny biby), ary ny fisotroana toaka.
  10. Faneken' ny maro ny mozika.
  11. Ny hambom-po sy ny fifaninanana amin' ny fandravahana môske.
  12. Hitombo isa ny vehivavy ary hihena ny lehilahy ka vehivavy dimampolo no hokarakarain' ny lehilahy iray.
  13. HIhabetsaka ny horohoron-tany.
  14. Hiseho matetika ny tsy fahazoana sitraka, ny fanodinkodinana, ny fanalam-baraka ary ny fanambaniana ampahibemaso.
  15. Te ho faty noho ny fahoriana mafy sy feno fisedrana izay iaretany ny olona.
  16. Hifanandrina amin' ny Mozilmana ny Jiosy.
  17. Ho lasa enta-mavesatra ny fiantrana (zakat).
  18. Hifaninana amin' ny fananganana trano avo dia avo ny mpifindrafindra monina.
  19. Hiseho miboridana ny vehivavy na dia mitafy aza.
  20. Hikatsaka fahalalana amin' ny manam-pahaizana manalasala sy diso lalana ny olona.
  21. Hinoan-teny ny mpandainga, tsy hinoan-teny ny marina, ary ny olola mahatoky dia hatao hoe mpamadika.
  22. Ho faty ny olo-marina sy ny hendry.
  23. Hiseho ny fahavetavetana sy ny fifandrafiana eo amin' ny mpihavana sy mpifanolo-bodirindrina.
  24. Hirongatra ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana amin' andriamanitra maro ao anatin' ny Umma (fianakaviam-ben' ny mpino silamo maneran-tany).
  25. Hahitana tendrombohi-bolamena i Eofrata.
  26. Ho lasa tanin-drenirano sy saha indray ny tanin' ny Arabo.
  27. Hahazo vola bebe kokoa hatrany ny olona noho ny fitondran-tenany mifanohitra amin' ny lalàna (Haram).
  28. Ho be ny orana fa kely ny zavamaniry.
  29. Horoahina hiala ao Medina ny olon-dratsy.
  30. Hifandray amin' ny olona ny bibidia, ​​ary ny olombelona hifandray amin' ny zavatra tsy mananaina.
  31. Hisy matetika kokoa ny tselatra sy ny kotroka.
  32. Hisy ny fiarahabana manokana ho an' ny olona manan-kaja.
  33. Hanjary hiparitaka be ny varotra ka hanampy ny vadiny amin' ny raharaham-barotra ny vehivavy.
  34. Tsy hisy olona tena vanona ho tavela ary tsy hisy olona azo itokisana.
  35. Ny olona ratsy indrindra ihany no tavela; tsy hahalala ny tsara na handrara ny ratsy izy ireo (izany hoe tsy hisy hilaza fa tsy misy andriamanitra afa-tsy Allah).
  36. Hiray hina hanimba ny finoana silamo amin' ny fomba rehetra ny firenena maro.
  37. Hampitaina ny fahalalana silamo fa tsy hisy olona hanaraka azy araka ny tokony ho izy.
  38. Ho avy ny mpitondra mozilmana izay tsy hanaraka ny tari-dalana sy ny lovam-panambaràna ao amin' ny Sonà. Ny sasany amin' ny olony dia hanana fon' ny demony anaty vatan' olombelona.
  39. Hitombo ny fitiavam-bola ary ho faty ny olona mihaja.
  40. Hankatò ny vadiny nefa tsy hankatò ny reniny ny lehilahy, ary hitondra ny sakaizany amin-katsaram-panahy nefa hanalavitra ny rainy.
  41. Hiakatra ny feo any amin' ny môske.
  42. Ho ratsy indrindra amin' izy ireo ny mpitarika vahoaka.
  43. Hanaja olona iray ny olona satria matahotra ny loza mety hafitsony.
  44. Hisotro divay betsaka ny olona.
  45. Ny Mozilmana dia hiady amin' ny firenena misy olona manao kiraro vita amin' ny volo sy manana tarehy toy ny ampinga voavely tantanana, mena hoditra sy kely maso.
  46. Hiseho any amin' ny faritr' i Siria ny Sufyani (olona lozabe).
  47. Hisy ny fampiatoana ady sy ny diabe fanafihana hataon' ny Rômana sy ny Mozilmana hanoherana fahavalo iraisana, arahin' ny al-Malhama al-Kubra (Hara-magedôna) izany, izay fifanadremana eo amin' ny Rômana sy ny Mozilmana.
  48. Hivoaka avy ao Khorasan ny Faneva Mainty (jereo ny hadita momba ny faneva mainty), ary tsy hisy hampihemotra azy mandra-panatsatohana azy ao Jerosalema.
  49. Hisy hanafika i Meka ary ho rava ny Kaaba.
  50. Hiseho ny tafika avy any Iemena, izay hampanjakazaka ny finoana silamo.
  51. Hisy mpanjaka arabo iray ho faty. Hisy ny tsy fitovian-kevitra amin' ny fandimbiasana azy. Avy eo dia hisy lehilahy handao an' i Medina. Handeha faingana ho any Meka izy, ary hivoaka handondona sy hanery azy hanaiky ny Bai'a (fianianam-pankatoavana) ny mponin' i Meka.
  52. Hiposaka avy any andrefana ny masoandro amin' ny indray Zoma (io no andro hanombohan' ny fiafaran' izao tontolo izao)
  53. Haneno ny trompetra voalohany, ary ho faty avokoa ny olombelona sisa, harahin' ny fe-potoana efapolo taona, ary amin' ny fiafaran' izany dia handrakotra izao tontolo izao mandritra ny efapolo andro ny setroka.
  54. Hasandratra ny Kor'any

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]