Fiteny tatara

Avy amin'i Wikipedia
Faritra misy ny mpiteny tatara (manga)

Ny fiteny tatara dia fiteny ao amin' ny vondron' ny fiteny torkika ao amin' ny fianakaviam-piteny altaika ampiasain' ny vahoaka Tatara, indrindra fa any Tatarstan (na Repoblikan' i Tatarstan) sy any Siberia ao Rosia, izay manao azy ho fiteny ôfisialy. Atao hoe татар теле / tatar tele na татарча / tatarça ity fiteny ity amin' ny teny tatara.

Ny fiteny tatara dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny tatara krimeana sy ny fiteny tatara siberiana, izay mifandray akaiky aminy nefa ao anatin' ny sokajy samihafa samy ao amin' ny vondrom-piteny kiptsakan' ny fiteny torkika. Misy any amin' ny 7 tapitrisa any ho any ny mpiteny tatara maneran-tany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]