Tetiandro babiloniana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tetiandro babiloniana na tetiandro mesopotamiana dia tetiandro nampiasaina tao Mesopotamia tamin'ny Andro Taloha izay manara-bolana sy masoandro, sady ahitana volana miisa 12 mitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana izay manomboka rehefa tazana eny amn'ny lanitra ny tsinam-bolana. Ampiana iray volana ny volana 12 rehefa hita fa mihatara loatra ny fanombohan'ny taona (elanelana folo andro) miohatra amin'ny fihodin'ny Masoandro. Ireo tanàna mesopotamiana anefa dia samy nanana ny tetiandrony avy, sady samy nanana ny anaram-bolana azy manokana avy, ka ny fanombohan'ny taona dia manomboka amin'ny lohataona nefa indraindray koa amin'ny fararano. Taty an-tenantenan'ny taonarivo faha-2 tal. J.K. vao nisy ny fametrahana tetiandro iraisana tany Mesopotamia ka ny tetiandro nampiasaina tao Babilona no nampiasaina.

Fahefan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany ny manapa-kevitra amin'ny fanovana ny tetiandro, ny manampy anaram-bolana vaovao. Nampifanentanina amin'ny zava-misy ara-toekarena izany (toy ny fizaràna karama, ny fanangonana ny hetra, ny famerenana zana-bola, sns), ary indrindra amin'ny fivavahana noho ny tetiandro misahana anjara asa lehibe eo amin'ny litorjia. Ny anaram-bolana dia matetika anaran'ireo fetim-pivavahana lehibe.

Ny tetiandrom-panjakana babiloniana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiavian'ny anaram-bolana dia samihafa ka hoatry ny an'ny tetiandro nakambakambana noforonina mba hampisy firaisana ara-politika. Ny sasany dia efa fantatra tamin'ny vanimpotoana amorita (dia ny Ayyaru, Elūlu, Abu na Abum, sy ny Du'uzu ,a Tamūzu, izay avy amin'ny fiteny someriana: ny volana Dumuzi). Ny sasany avy amin'ny faritra semitika andrefana (dia ny Tašrītu, ary angamba koa ny Nisannu). Ny sasany fantatra tao amin'ny tanànan'i Sosa (na Sosàna) ao Elama (dia ny Shabāṭu sy ny Addaru). Ny hafa koa dia mety avy amin'ny teny persiana (ny Araḫsamnu). Roa ny volana fanombohan-taona ao amin'io tetiandro io, dia ilay amin'ny volana Nisannu sy ilay amin'ny volana Tašrītu (volana faha7 raha atao voalohany ny Nisannu). Ny hoe Nissanu dia avy amin'ny teny someriana hoe nesag izay midika hoe "voalohany" ary ny hoe Tašrītu dia midika hoe "fanombohana" amin'ny teny akadiana.

Ireto ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro babiloniana iraisana: Nisannu, Ayyaru, Simānu, Du'uzu (na Tamūzu na Tammūzu), Abu, Elūlu (na Ulūlu), Tašrītu, Araḫsamnu, Kislimu, Ṭebētu, Shabāṭu, Addaru. Ny volana fasisika ho fanampiny dia ny Elūlu na ny Addaru. Averna indroa izany ny Elūlu na ny Addaru.

Nampiasaina foana io tetiandro io hatraty amin'ny taonarivo voalohany tal. J.K. ary ny Jiosy voababo tao Babilona dia nampiasa azy io ka nanolo ny tetiandrony talohan'ny fahababoana amin'ny tetiandro babiloniana. Natao filamatra ihany koa io tetiandro io tao amin'ireo vahoaka arameana izay nampanjaka ny fiteniny tao Mesopotamia sy tao Atsinanana Akaiky, indrindra tao amin'ireo Palmireniana.

Tabilao mampitaha ny anaram-bolana babiloniana sy ny anaram-bolana hebreo:

1 2 3 4 5 6
Babiloniana Nisannu Ayyaru Simānu Tammūzu Abu Elūlu
Hebreo Nisan Iyar Sivan Tammuz Av Elul
7 8 9 10 11 12
Babiloniana Tašrītu Araḫsamnu Kislimu Ṭebētu Shabāṭu Addaru
Hebreo Tishri Heshvan Kislev Tevet Shevat Adar

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]