Sosa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Sosa na Sosàna na Soza dia tanàna fahiny tao amin'ny Elamita sy ny vahoaka niaina teo alohany, tao amin'ny Empira persiana voalohany, ny Seleokida, ny Partiana, ary ny Emlpira sasanida tao Iràna, sady iray amin'ireo tanàna nanana ny maha izy azy tao amin'ny faritra Atsinanana Afovoany tamin'ny Andro Taloha. Ao amin'ireo tendrombohitra ivan'i Zargos any amin'ny 250 km atsinanan'ny Renirano Tigrisy, eo anelanelan'ny Karkheh sy ny reniranon'i Dez no nisy azy. Ny toerana niorenany amin'izao dia ahitana havoana granita telo izay mivelatra eo amin'ny faritra mirefy 1 km2, fantatra amin'ny hoe havoana Apadana sy havoana Acropolis ary havoana Ville Royale. Ny tanàna iraniana vaovao atao hoe Shush dia hita eo amin'ny toerana nirorenan'i Sosa. I Shush dia ampitovina amin'i Shushan, izay lazaina ao amin'ny Bokin'i Estera sy ny boky hafa ao amin'ny Baiboly koa.

Amin'ny teny persiana dia atao hoe Shush, fa amin'ny teny hebreo dia atao hoe שׁוּשָׁן / Shushān ary amin'ny teny siriaka kosa dia atao hoe ܫܘܫ‎ / Shush. amin'ny teny persiana afovoany dia atao hoe Sūsh na Shūs. Amin'ny teny persiana taloha dia Tsūshā.