Pôlinezia
I Pôlinezia dia faritra ao amin' ny tapany atsinanana amin' i Ôseania izay ahitana nosy maro dia maro. Ny nosy sy ny vondro-nosy mamaritra ny sisiny dia ny vondro-nosin' i Hawaii ary avaratra, ny Vondro-nosy Paska any atsinanana ary i Zelandy Vaovao (New Zealand na Aotearoa) any andrefana.
Avy amin' ny teny grika hoe πολύς / polús ("maro") sy νῆσος / nễsos) ("nosy") ny teny hoe Pôlinezia ka midika ara-bakiteny hoe "nosy maro".
Miteny amin' ny fiteny aostrôneziana ao amin' ny zana-bondrom-piteny ôseaniana, atao hoe fiteny pôlineziana, ny Pôlineziana.
Faritra ara-pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny mponina miisa 5 tapitrisa (ny 4,5 ao Hawaii sy ao Zelandy Vaovao, izay tsy Pôlineziana ny ankamaroany), dia ahitana faritra ara-pôlitika miisa 20 i Pôlinezia.
Firenena mahaleo tena
[hanova | hanova ny fango]Misy firenena manana ny fiandrianam-pireneny miisa fito ny ao Pôlinezia, dia:
- ny Vondro-nosy Koky (Cook),
- i Zelandy Vaovao,
- i Kiribaty (Kiribati),
- i Nioe (Niue),
- i Samôa (Samua),
- i Tônga (Tonga), ary
- i Tovalo (Tuvalu).
Fizaràn-tany tsy mahaleo tena
[hanova | hanova ny fango]Misy fizaràn-tany miankina miisa telo ambin' ny folo koa ny ao Pôlinezia, dia:
- i Hawaii, i Samôa amerikana, i Johnston, i Baker, i Howland, i Jarvis, i Palmyra (miankina amin' i Etazonia);
- i Polynésie françaisee, i Wallis-et-Futuna (miankina amin' i Frantsa);
- ny nosy Chatham, i Tokelau (miankina amin' i Zelandy Vaovao);
- ny vondro-nosy Pitcairn (miankina amin' ny Fanjakana Mitambatra);
- ny Nosin'ny Paska (miankina amin' i Sily).
Rakotra ranomasina ny 90 % amin' ny velaran' ireo faritra ireo fa ny 10 % fotsiny no tany maina.
I Polynésie française
[hanova | hanova ny fango]I Polynésie française (amin' ny fiteny tahisiana: Pōrīnetia farāni) dia fizaran-tany am-pitan-dranomasina frantsay izay ahitana an' i Tahiti, ny Îles de la Société. Faritra mizakatena i Polynésie française sady manana ny filohany, frantsay, sy ny governemantany. Tsy ny vola euro ihany koa no ampiasainy any fa ny franc CFP.
I Papeete no renivohiny, izay tanàna ao amin' ny nosin' i Tahiti. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy any, ny fiteny tahisiana (Reo Ma'ōhi) dia teny miasa andavanandro miaraka amin' ny fiteny frantsay, izay ampiasaina any am-pianarana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fizaràm-paritra any Ôseania: