Melanezia

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sarin-tany maneho an' i Melanezia

I Melanezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe ao amin' ny Ôseana Pasifika, izay mamorona an' i Ôseania. Ity famondronana ara-jeôgrafia ity dia toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany, nefa ampiasaina matetika izany sy ireo firenena voakasika. Ny anarana hoe Melanezia dia avy amin' ny teny grika hoe μέλας / mélas, "mainty, sy ny hoe νῆσος / nễsos, "nosy", ka midika hoe "nosy mainty".

Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Ny tantaran' ny fitsinjaràm-paritra[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny fandehanan' i Jules Dumont d'Urville tany amin' io faritra io hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' ny Société de géograophie tao Parisy izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' i Pasifika ho faritra efatra, dia:

  • i Pôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
  • i Melanezia ("nosy mainty"),
  • i Mikrônezia ("nosy kely") ary
  • i Malezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).

I Melanezia araka ny mahazatra[hanova | hanova ny fango]

Oceania UN Geoscheme - Map of Melanesia cropped.jpg

I Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia sy ao atsimon' i Mikrônezia. Heverina fa isan' i Melanezia ireo fanjakana na tany manaraka ireto:

Ireo fanjakana na faritany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.

Ny teny hoe "melaneziana" dia ampiasaina amin' ny haifiteny amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondron' ny sampam-piteny ôseanianan' ireo fiteny aostrôneziana, tenenina ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ireo nosy Salômôna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]