Pôlinezia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Polinezia)
Ny telolafin' i Pôlinezia

I Pôlinezia dia faritra ao amin' ny tapany atsinanana amin' i Ôseania izay ahitana nosy maro dia maro. Ny nosy sy ny tamba-nosy mamaritra ny sisiny dia ny tambanosin' i Hawaii ary avaratra, ny Nosin' ny Paska any atsinana ary Zelanda Vaovao (New Zealand, Aotearoa) any andrefana.

Avy amin' ny teny grika hoe πολύς / polús ("maro") sy νῆσος / nễsos) ("nosy") ny teny hoe Pôlinezia ka midika ara-bakiteny hoe "nosy maro".

Miteny amin' ny fiteny aostrôneziana ao amin' ny zana-bondrom-piteny ôseaniana, atao hoe fiteny pôlineziana, ny Pôlineziana.

Faritra ara-pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny mponina miisa 5 tapitrisa (ny 4,5 ao Haoay sy Zelanda Vaovao, izay tsy Pôlineziana ny ankamaroany) i Pôlinezia dia ahitana faritra ara-pôlitika miisa 20.

Firenena mahaleo tena[hanova | hanova ny fango]

Misy firenena manana ny fiandrianam-pireneny miisa fito ny ao Pôlinezia, dia:

Faritra tsy mahaleo tena[hanova | hanova ny fango]

Misy faritra miankina telo ambin' ny folo koa ny ao, dia:

  • i Haoay (Hawaii), Samôa amerikana, i Johnston, i Baker, i Howland, i Jarvis, i Palmyra (miankina amin' i Etazonia);
  • Pôlinezia Frantsay, Wallis-et-Futuna (miankina amin' i Frantsa);
  • ny nosy Chatham, Tokelau (miankina amin' i Zelanda Vaovao);
  • ireo nosy Pitcairn (miankina amin' ny Fanjakana Mitambatra);
  • ny Nosin'ny Paska (miankina amin' i Sily).

Ny 90 %n' ny velaran-tanin' ireo faritra ireo dia rakotra ranomasina fa ny 10 % fotsiny no tany maina.

I Pôlinezia Frantsay[hanova | hanova ny fango]

I Pôlinezia frantsay (amin' ny fiteny frantsay: Polynésie Française, amin' ny fiteny tahisiana: Pōrīnetia farāni) dia faritra andafy frantsay izay ahitana an' i Tahiti, ny Îles de la Société. Faritra mizakatena i Pôlinezia ary manana ny filohany, frantsay, ary ny governemantany. Tsy ny vola euro ihany koa no ampiasainy any fa ny Franc CFP.

Ny renivohiny dia Papeete, eo amin' ny nosin' i Tahiti. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy any, ny teny tahisiana (Reo Ma'ōhi) dia teny miasa andavanandro miaraka amin' ny teny frantsay, izay ampiasaina any am-pianarana.

Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fizaràm-paritra any Ôseania: