Fivavahana kananita

Avy amin'i Wikipedia

Ny fivavahana kananita dia fivavahana semitika fahiny maro isan-karazany izay narahin' ny Kananita nonina tany Ampiposahana nanomboka tamin' ny Andron' ny Alimo ka hatramin' ireo taonjato voalohany taor. J.K. Ny fivavahana kananita dia pôliteista (mivavaka amin' andriamanitra maro), ary indraindray mônôlatrista (misafidy andriamanitra iray amin' ny maro).

Finoana[hanova | hanova ny fango]

Ny finoana ny any ankoatra sy ny fivavahana amin' ny maty[hanova | hanova ny fango]

Ny finoana any ankoatra sy ny fivavahana amin' ny maty. Nino ny Kananita fa aorian' ny fahafatesan' ny vatana, ny npš (nefesh adika matetika hoe "fanahy") dia miala amin' ny vatana nankany amin' ny Tanin' i Mot ("Fahafatesana"). Alevina am-pasana misy fanaka ny faty, ary misy sakafo sy zava-pisotro atao fanatitra ho an' ny maty mba hahazoana antoka fa tsy hanelingelina ny velona izy ireo. Ivavahana ny havana maty ary angataka fanampiana indraindray.

Kôsmôlôjia[hanova | hanova ny fango]

Tsy nisy na dia iray aza tamin' ireo takela-tanimanga misy soratra hita tamin' ny taona 1929 tao Ogarita (Ugarit), tanànan' ny Kananita (rava tany amin' ny taona 1200 tal. J.K. tany ho any). Ny hevitra rehetra momba izany lahatsoratra izany dia matetika novolavolaina avy amin' ny lahatsoratra fenisianina taloha kokoa nosoratan' i Filôna avy any Biblôsy (tokony tamn' ny 64–141 taor. J.K.), taorian' ny nidiran' ny singa ara-kolontsaina grika sy rômana betsaka tao amin' ilay faritra.

Araka ny araka ny hita ao amin' ny panteôna, fantatra amin' ny tao Ogarita amin' ny hoe 'ilhm (Elohim) na "zanak' i El", voalaza fa azon' i Filôna tany Sankoniatôna (Σαγχουνιάθων / Sankhouniáthōn) any Beirut ilay mpamorona dia fantatra amin' ny anarana hoe Elion, izay rain' ireo andriamanitra, ary araka ny loharanom-pahalalana grika, nanambady an' i Beirut (Beruth = "tanàna"). Io fanambadian' ny adriamanitra amin' ilay tanàna io dia toa mitovy amin' ny hita ao amin' ny Baiboly koa ao amin' ny fitantarana ny fifandraisan' i Melqart sy ny tanànan' i Tiro; i Kemos sy i Môaba; i Tanit sy i Baal Hammon tany Kartagô, i Yah sy i Jerosalema.

Ny fanambadian' i El Elyon sy i Asera (Asherah) mpanaraka azy dia maneho an' i Khronos sy i Rhea tany am-piandohana araka ny fedrà grika na i Saturnus sy i Ops araka ny fedrà rômana. Ao amin' ny fedrà kananita dia misy tendrombohitra kambana, i Targhizizi sy i Tharumagi, mitazona ny habakabaka ambonin' ny ranomasina izay manodidin' ny tany, ka mamaritra ny tany.

I W. F. Albright, ohatra, dia milaza fa ny hoe El Shaddai dia teny avy amin' ny fototeny semitika hita amin' ny teny akadianina hoe shadû ("tendrombohitra") sy shaddā'û na shaddû'a ("mponina an-tendrombohitra"), iray amin' ny anaran' i Amurru. Nilaza i Filôna avy any Biblôsy fa i Atlas dia iray amin' ireo Elohim, izay mifanaraka tsara amin' ny fitantarana an' i El Shaddai izay milaza azy ho "Andriamanitry ny Tendrombohitra". I Harriet Lutzky dia nanolotra porofo fa ny hoe Shaddai dia toetran' ny andriamanibavy semitika, mampifandray ny mpamari-toera amin' ny teny hebreo hoe šad "nono" ho "ny iray amin' ny nono". Ny amin' ny tendrombohitra roa ampifandraisina eto amin' ny maha nonon' ny tany azy ireo dia mifanaraka tsara amin' ny fedrà kananita. Ny filazana momba ny tendrombohitra tsiroaroa dia toa fahita matetika ao amin' ny fedrà kananita (mitovy amin’ i Hôreba sy i Sinay ao amin' ny Baiboly). Ny faran' ny vanim-potoanan' ity kôsmôlôjia ity dia mahasarotra ny milaza hoe inona no mety ho singa ara-pinoana (rômana, grika, na hebreo) nisy fiantraikany tamin' ny asasoratr' i Filôna.

Fedrà[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny "Tsingerin' i Baal", i Baal Hadad dia nanohitra sy nandresy an' i Yam, tamin' ny fampiasana fitaovam-piadiana mahagaga roa (antsoina hoe "Mpitarika" sy "Mpanenjika") nataon' i Kothar-wa-Khasis ho azy. Taorian' izay, noho ny fanampian' i Athirat sy i Anat, i Baal dia nandresy lahatra an' i El mba hanome lapa azy. Nanaiky i El, ary i Kothar-wa-Khasis no nanorina ny lapa. Rehefa vita ny fanorenana ny lapa dia nikotroka mafy teo am-baravarankelin' ny lapa i Baal ary nifanandrina tamin' i Mot.

Niditra teo am-baravarankely i Mot ary nitelina an' i Baal, nandefa azy tany amin' ny tontolo ambanin' ny tany. Satria tsy nisy nanome orana dia nisy hain-tany mahatsiravina tamin' ny tsy naha eo an' i Baal. Ny andriamanitra hafa, indrindra fa i El sy Anat, dia nikorontan-tsaina fa nentina tany amin' ny tontolo ambanin' ny tany i Baal. Nankany amin' ny ambanin' ny tany i Anat, nanafika an' i Mot niaraka amin' antsy, nanorotoro azy ho potipoti-javatra, ary nampiely azy lavitra. Rehefa resy i Mot dia afaka niverina sy namelombelona ny tany tamin' ny orana i Baal.

Lisitry ny andriamanitra kananita[hanova | hanova ny fango]

Nisy andriamanitra maro tao amin' ny ambaratongam-pahefana efatra notarihan' i El sy i Asherah no nivavahan' ny mpanara-dia ny fivavahana kananita; ity ny lisitra:

  1. Aglibol, andriamanitry ny volana sady rahalahin' i Malakbel. Anisan' ny andriamanitra telo mitambatra ao Palmyra, ao Siria, miaraka amin' i Bel sy Yarhibol. Anisan' ny andriamanitra telo hafa niaraka tamin' i Balasamin sy i Malakbela koa.
  2. Anat, andriamanibavy virjinin' ny ady sy disadisa, anabavy sady vadin' i Baal Hadad.
  3. Arsay, andriamanibavin’ ny tontolo ambanin' ny tany (fiainan-tsi-hita), iray amin' ireo zanakavavin' i Baal-Hadad telo vavy.
  4. Arsu, andriamanitry ny kintan' ny takariva sady rahalahy kambana amin' i Azizos.
  5. Ashtar-Khemos, vadin' i Khemos sady andriamanibavin' ny Môabita.
  6. Asherah, mpanjakavavy sy vadin' i El (fivavahana ogaritika), vadin' i Elkunirsa (fivavahana hitita),vadin' i Yahweh (fivavahana israelita), vadin' i Amurru (fivavahana amôrita), vadin' i Anu (fivavahana akadiana) ary vadin' i 'Amm (fivavahana tany Arabia talohan' ny silamo) naseho amin' ny alalan' ny tsato-kazon' i Asherah ao amin’ ny Baiboly hebreo.
  7. Ashima, andriamanibavin' ny anjara
  8. Astarte, andriamanibavin' ny ady sy ny fihazana ary ny fitiavana.
  9. Atargatis, vadin' i Hadad, andriamanibavin' ny fahavokarana sy lohan' ireo andriamanibavin' i Siria avaratra
  10. Attar, andriamanitry ny kintan' ny maraina ("zanaky ny maraina") izay niezaka naka ny toeran' i Baal efa maty ka tsy nahomby. Andriamanitra lahy mitovy amin' ny andriamanibavy Athtart.
  11. Azizos, andriamanitry ny kintan' ny maraina ary rahalahy kambana amin' i Arsu.
  12. Baalah, vady na vavy mitovy amin' i Baal (na koa Belili)
  13. Baalat Gebal, andriamanibavin' i Biblôsy tany Fenisia. Amin' ny sary masina dia avahana amin' i Astarte na andriamanibavy mitovy aminy izy amin' ny volom-borona roa lava sy mahitsy teo amin' ny satrony.
  14. Hadad, izay antsoina matetika hoe Baʿal (midika hoe "Tompo"), andriamanitry ny tafio-drivotra, ny kotroka, ny tselatra ary ny rivotra. Mpanjakan' ny andriamanitra. Mampiasa ny fitaovam-piadiana mpitarika sy mpanejika amin' ny ady. Antsoina matetika hoe Baalasamin.
  15. Baal Hermon, andriamanitry ny Tendrombohitra Hermon.
  16. Baal Hammon, andriamanitry ny fahavokaran' ny zavamaniry sy manavao ny angovo rehetra tao Kartago fahiny
  17. Baalshamion, antsoina koa hoe Baal Shamem sy Baal Shamaim, andriamanitra faratampon' ny lanitra ao Palmyra any Siria, izay noravan' ny Fanjakana Islamika ny tempoliny tamin' ny 23 Aogositra 2015. Ny zavatra maneho ny toetrany dia ny voromahery sy ny varatra. Anisan' ny trinite miaraka amin' i Aglibol sy i Malakbel izy.
  18. Baal-Zephon na Baalzephon, araka ny tokony ho izy, Baʿal Zaphon na Ṣaphon. Endrika hafan' i Baal-Hadad amin' ny maha tompon' i Tendrombohitra Zaphon azy.
  19. Bel, na Bol, no andriamanitra lehiben’ i Palmyra tany Siria izay noravan’ ny Fanjakana Islamika ny tempoliny tamin’ ny 30 Aogositra 2015.
  20. Bethel, izay nanjary nalaza nandritra ny Empira Babilôniana Vaovao tany amin' ny faritr' i Siria sy tao amin' ny tanàn' ny zanaka am-pielezana samaria-jodeana tany Elephantine any Ejipta
  21. Khemos, mety ho iray amin' ireo zanak' i El, andriamanitry ny ady sy ny fandringanana ary andriamani-pirenen' ny Môabita sy ny Amônita.
  22. Dagon (na Dagan) andriamanitry ny fahavokarana sy ny voa, rain' i Baal-Hadad
  23. El, antsoina koa hoe 'Il na Elyon ("Avo Indrindra"), andriamanitry ny famoronana, vadin' i Athirat.
  24. Eretz, andriamanibavin' ny tany
  25. Eshmun, andriamanitra, na amin' ny anarana hoe Baalat Asclepius, andriamanibavin' ny fanasitranana
  26. Gad, andriamanitry ny harena
  27. Gupan sy Ugar, andriamanitra mpitondra ny hafatry ny andriamanitry ny toetrandro Baal, izay miseho ho mpivady foana.
  28. Haurun, andriamanitra any ambanin' ny tany, mpiara-manjaka any ambanin' ny tany, kambana amin' i Melqart, zanak' i Mot. Bethoron any Palestina, dia avy amin’ ny hoe Horon ny anarany.
  29. Ishara, andriamanibavin' ny Eblaita
  30. Ishta, andriamanibavin' ny afo, vadin' i Molokh. Novonoin’ i Anat izy.
  31. Kotharat, andriamanibavy fiton' ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka
  32. Kothar-wa-Khasis, andriamanitry ny asa tanana, namorona an' i Yagrush sy i Aymur (mpamily sy mpanenjika) izay fitaovam-piadiana nampiasain' ny andriamanitra Ba'al Hadad.
  33. Lotan, ilay bibilava miolikolika, manana loha fito, mpiara-dia amin' i Yam.
  34. Malakbel, andriamanitry ny masoandro, ny zavamaniry, ny fiahiana, anjelin' i Bel ary rahalahin' i Agilbol. Anisan’ ny trinite any Palmyra, ao Siria, miaraka amin’ i Aglibol sy i Baalshamin.
  35. Manuzi, andriamanitry ny toetrandro sady vadin' i Liluri. Nisy omby natao sorona ho azy roa.
  36. Marqod, andriamanitry ny dihy
  37. Melqart, "mpanjakan' ny tanàna", andriamanitr' i Tiro, tontolo ambanin' ny tany sy tsingerin' ny zava-maniry ao Tiro, mpiara-manjaka ay ambanin' ny tany, kambana amin' i Horon sy zanak' i Mot
  38. Milkom, andriamani-pirenen' ny Amônita.
  39. Misor, rahalahy kambana amin' i Sydyk.
  40. Molokh, andriamanitry ny afo, vadin' i Ishat, mety hampitovina amin' i Milkom.
  41. Mot na Maweth andriamanitry ny fahafatesana (tsy ivavahana na nomena fanatitra)
  42. Nikkal-wa-Ib, andriamanibavin' ny saha sy voankazo
  43. Pidray, andriamanibavin' ny hazavana sy ny tselatra, iray amin' ireo zanakavavin' i Baal-Hadad telo avy.
  44. Resheph, andriamanitry ny areti-mandringana sy manasitrana
  45. Shadrafa, andriamanitry ny fanafody na fanasitranana
  46. Shakhar sy Shalim, andriamanitry ny tendrombohitra kamban' ny mangiran-dratsy sy ny hariva. Nampifandraisina tamin' ny tontolo ambanin' ny tany tamin' ny alalan' ny kintana hariva sy nampifandraisina tamin' ny fiadananai i Shalim
  47. Shamayim ("lanitra"), andriamanitry ny lanitra
  48. Shapash, nosoratana koa hoe Shapshu, andriamanibavin' ny masoandro; indraindray ampitovina amin' ilay andriamanitra masoandro mesôpôtamia atao hoe Shamash, izay iadian-kevitra ny maha lahy sna ny vavy azy. Misy mpanoratra mihevitra an' i Shamash ho andriamanibavy.
  49. Sydyk, andriamanitry ny fahamarinana na ny rariny, indraindray kambana amin' i Misor, ary mifandray amin' ny planeta Jopitera
  50. Tallai, andriamanibavin' ny ririnina, ny oram-panala, ny hatsiaka ary ny ando, iray amin' ireo zanakavavin' i Baal-Hadad telo.
  51. Yahweh na Yah
  52. Yam ("renirano-ranomasina") andriamanitry ny ranomasina sy ny renirano, antsoina koa hoe Mpitsara Nahar (mpitsara ny renirano)
  53. Yarhibol, andriamanitra masoandro ary "tompon' ny loharano". Ampahany amin' ny trinite miaraka amin' ireo andriamanitra faratampony ao Palmyra, any Siria miaraka amin' i Aglibol sy Bel.
  54. Yarikh, andriamanitry ny volana sady vadin' i Nikkal. Azo inoana fa ny tanànan’ i Jerikô no foiben’ ny fanompoam-pivavahana aminy.