Varatra
Fiseho

Ny varatra dia ny fianjeran' ny elektrôna entin' ny orana sy rivotra avy amin' ny rahona eto an-tany. Ny vy maranitra (antsoina hoe fandri-baratra) amin' ny tafon-trano no fianjerany. Raha tsy misy ny fandri-baratra dia mety ny olona, ny biby na hazo no ianjerany ka maty na may ilay voan' ny loza. Ny tselatra dia matetika hita aoriana kelin' ny varatra.
Na dia loza voajanahary aza ny varatra dia misy ihany koa ny filazana fa misy ny olona afaka mandefa azy ireny na sompatra ataon'ny olona.[1]