Fiteny kibosy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny sibosy)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny kibosy na sibosy dia fiteny ao Maiôty tenenin'ny olona miisa 47 900 tamin'ny taona 2012. Izy no fiteny nibeazeana faharoa ao amin'io nosy io izay manao ny fiteny frantsay ho fiteny ofisialy. Fitenim-paritry ny teny malagasy ny fiteny kibosy ka isan'ireo fiteny malaio-pôlineziana ao amin'ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Manakaiky ny fiteny malagasy tenenina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara (Antsiranana sy Mahajanga) ny fiteny kibosy.

Ireto ny tanàna sasany ao Maiôty itenenana kibosy: Bambo-Est, M'Bouini (na M'Boueni), Passi-Kéli, M'Ronabéja, Kani-Kéli, Chirongui, Poroani, Ouangani, Chiconi, Sohoa, M'Tsangamouji, M'liha, Acoua, Mtsangadoua, Hamjago, Dapani, Mtsamoudou.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]