Fiteny ao Nizera

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy manoratra amin' ny fiteny haosa eny amin' ny solaitrabe

Ny fiteny ao Nizera dia ao amin' ny fianakaviam-piteny maro ao Afrika sy avy any Eorôpa, izay ahitana fiteny hamitô-semitika (fiteny haosa, fiteny amaziga, fiteny arabo, fiteny tamaseka), fiteny nilô-sahariana (fiteny zarma, fiteny sôngay, fiteny kanory, fiteny dendy), fiteny nizerô-kôngôley (fiteny folany, fiteny môre na môsy) sy fiteny indô-eorôpeana (fiteny frantsay, fiteny anglisy).

Ny fiteny ôfisialin' i Nizera dia ny fiteny frantsay. Mpikambana ao amin' ny Antenimieran' ny Frankôfônia sy ao amin' ny Fikambanana Iraisam-Pirenena momba ny Frankôfônia i Nizera.

Fiteny ôfisialy sy fitenim-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Fiteny ôfisialy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay, izay nolovaina tamin' ny fanjanahantany, no fiteny ôfisialy ao Nizera. Ny fiteny faharoa no tena ampiasain' ny olona nahita fianarana (20 % amin' ny Nizeriena no mahay mamaky teny frantsay, 47 % izany any an-tanàn-dehibe). Na dia mbola vitsy isanjaton' ny mponina aza ny Nizeriena nahita fianarana, ny teny frantsay no fiteny ampiasaina amin' ny fitantanan-draharaha ôfisialy (fitsarana, governemanta, sns.), ny haino aman-jery ary ny tontolon' ny fandraharahana.

Fitenim-pirenena[hanova | hanova ny fango]

Ireo fitenim-pirenena ao Nizera

Ny "fiteny folo an' ny vondrom-piarahamonina mandrafitra ny firenena nizeriana", ary noho izany dia fiteny teratany, dia ny fiteny haosa (55 %), ny fiteny zarma (20,8 %), ny fiteny sôngay (4, 7 %), ny fiteny tamaseka (8,4 %), ny fiteny folany (8,3 %), ny fiteny kanory (4,8 %), ny fiteny arabom-paritra (1,2 %), ny fiteny bodoma, ny fiteny gormantse, ny fiteny tasaoaka ary ny fiteny tobo.

Antontanisa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny be mpampiasa[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2010, ny fiteny be mpampiasa indrindra dia:

Fiteny vitsy mpampiasa[hanova | hanova ny fango]

Fanampin' ireo koa ny fiteny gormantse, ny fiteny tobo ary ny fiteny bodoma, izay fiteny ampiasain' ny ampahany kely amin' ny mponina. Ao koa ny fiteny anglisy, satria ny Haosa avy any Nizeria mipetraka ao Nizera, ary lehibe ny fifanakalozana eo amin' ny firenena roa tonta.

Lositry ny fiteny[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny fiteny ampiasaina ao Nizera:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]