Fiteny tasaoaka

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tasaoaka dia fitenim-paritra sôngay ampiasain' ny vahoaka antsoina hoe Ingalkôio (Ingalkoyyu) na Isaoagena (Isawaghen) ao amin' ny faritr' i Ingall any Nizera. Atao hoe Tesăwăq izy amin' ny teny toarega.

Mpiteny tasaoaka miisa 8 000 no miparitaka indrindra any In Gall sy Tegidda n'Tessemt 80 km any avaratra. Fiteny sôngay nandray singa maro avy amin' ny fiteny toarega ny fiteny tasaoaka. Iray amin' ny fitenim-pirenena 16 ao Nizera io fiteny io. Iray amin' ny fiteny sôngay avaratra, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, ny fiteny tasaoaka.

Misy toetra itoviany amin' ny fiteny berbera toy ny fiteny tamaseka io fiteny io. Ohatra amin' izany, amin' ireo fiteny roa ireo, kambavy ny anarana raha manomboka sy mifarana amin' ny litera t.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]