Fiteny toarega

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny fiteny toarega dia sampan' ny vondrom-piteny berbera, ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika na hamitô-semitika, izay tenenin' ny vahoaka toarega. Ireo fiteny ireo dia tenenina indrindra ao Alzeria, ao Borkina Fasô, ao Libia, ao Maly ary ao Nizera. Mahatratra hatrany amin' ny 5 tapitrisa ny olona miteny azy ireo. Ireto ireo fiteny ireo: ny fiteny tamahàka (ao avaratra), ny fiteny tamaseka, ny fiteny tamajeka, ny fiteny taoelemeta (ao atsimo). Soratana amin' ny abidy tifinagy sy amin' ny abidy latina ireo fiteny ireo.

Ohatra:

ⵜⵉⵊⵉⵏⴰⵗ ⴰⵊⵏⴰⵗ ⵏ ⴾⵢⵍ ⵜⴰⵎⴰⵌⵆ ⵉⵢⴰⵏ ⴷⴰⵗ ⵉⵊⵏⴰⵗⴰⵏ ⵓⵉⵏ ⴰⵔⵓⵏⵢⵏ