Fiteny kanory

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kanory na fiteny kaory dia fitohizam-pitenim-paritra ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, ao Afrika Afovoany, tenenin' ny Kanory manokana, amin' ny faritra manodidina ny farihy Tchad. Ny fielezany dia mifandray amin' ny fivoaran' ny Fanjakan' i Kanem-Bornou manodidina ny farihy Tchad. Ny teny hoe "Tchad" dia avy amin' ny teny kanory izay midika hoe "rano midadasika" na "farihy".

Ny fiteny kanory dia ampiasaina indrindra any amin' ny faritra iva ao amin' ny sahan-dranon' i Tchad, izay ahitana mpiteny ao Kamerona, ao Tsady, ao Nizera, ao Nizerià, ao Sodàna ary ao Libia. Miisa 9 700 000 any ho any ny fitambaran' ny mpiteny kanory.

Ireto ny fitenim-paritr' io fiteny io: ny fiteny kanory afovoany, ny fiteny kanory manga, ny fiteny kanory tomary, ny fiteny kanory bilma ary ny fiteny kanembo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]