Asotry
Ny Asotry na Sotry dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Asaramanitra no eo alohany ary ny Vatravatra no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy mampiasa teny hafa tanteraka toy ny hoe Zonjo na Zonjona na Asotrizonjona, sy ny hoe Sotrindambo, ary ny hoe Mianjoloka, Manjoloka na Anjoloka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.
Amin'ny Antambahoaka dia volana fahatelo ny Asotry, volana fahenina amin'ny Bezanozano, volana voalohany amin'ny Sihanaka, volana faha-12 amin'ny Betsimisaraka (Rakotosaona, 1972)[1].
Anaram-pizaran-taona ny Asotry amin'ny faritra maro eto Madagasikara, ka ilazana ny fizaran-taona sady maina no mangatsiaka. Ny Asotry dia fizaran-taona mahafaoka ny fararano sy ny ririnina amin'ny Antemoro, fa ny ririnina ihany amin'ny Antesaka sy ny Bara (Rakotosaona, 1972)[1].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:
- Hatsiha - Volasira - Faosa - Volamaka - Hiahia - Sakamasay - Volambita - Sakave - Asaramantsina - Asaramanitra - Asotry - Vatravatra.
Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:
- Alahamady - Adaoro - Adizaoza - Asorotany - Alahasaty - Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy - Adijady - Adalo - Alohotsy
Samihafa
Boky azo anovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]- Rakotosaona, Rakibolana, 1972/1975 (tsy voatonta).
- Deschamps Hubert, Le dialecte Antaisaka, Imprimerie Moderne de l'Emyrne. 1936.
- David sy Irrigaray, Lexique des dialectes du Nord de Madagascar, 1952.
- Richardson James (Rev.), A New Malagasy-English Dictionary, The London Missionary Society, Antananarivo, 1885. Reprinted in 1967 by Gregg Press Limited, 1 Westmead, Farnborough, Hants., England, 1885
- Gwyn Campbell, David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar", 2012,
- William Ellis, History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818 ..., 1838.