Fiteny kirgizy

Avy amin'i Wikipedia


Ny fiteny kirgizy dia fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika. Amin' ny fomba fijery fanasokajiana dia fiteny manambatambatra hasinteny ity fiteny ity. Any Azia Afovoany no ampiasaina izany, indrindra any Kirgizistana (izay manao azy ho fitenim-pirenena), any Tajikistana, ay Xinjiang ary any Afganistana.

Olona 4 tapitrisa eo ho eo no miteny kirgizy. Ny abidy sirilika, izay nampiana litera telo, no anoratana azy io, nefa indraindray dia soratana amin' ny abidy arabo, izay ampiana ihany koa, ny fiteny kirgizy. Teo anelanelan' ny taona 1928 sy 1940 i Kirgizistana dia nampiasa ny abidy latina, izay mbola ampiasaina amin' ny fomba mahalankalana.

Tena akaiky ny fiteny kazàka ny fiteny kirgizy. Matetika io fiteny io dia sokajiana miaraka amin' ny fiteny tatara sy ny fiteny karakalpaka ao anatin' ny vondrom-piteny kiptsaka (na sampana torkika andrefana). Mampiady hevitra anefa ity fanasokajiana ity ary indraindray dia voasokajy ao amin' ny fiteny torkika avaratra ny fiteny kirgizy noho ny firaisany kolontsaina matanjaka ao amin' ireo mponina ireo.

Amin' izao fotoana izao dia mbola ny fiteny rosiana no tena fiteny any amin' ireo tanàn-dehibe toa an' i Bishkek, ary ny mpiteny kirgizy dia tsy mitsaha-mihena, indrindra eo amin' ireo taranaka tanora.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]