Fiteny iakoty

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny iakoty, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny iakotiana na fiteny saka, dia fiteny torkika ao amin' ny sampana torkika siberiana ary ampiasain' ny mpiteny teratany miisa 450 000 eo ho eo, indrindra fa ny vahoaka iakoty ary iray amin' ireo fiteny ôfisialin' i Sakha (Yakutia), repoblika federaly ao amin' ny Federasiônan'i Rosia.

Ny fiteny iakoty dia tsy mitovy amin' ny fiteny torkika hafa rehetra amin' ny fisian' ny voambolana tsy mazava fiaviana (mety ho paleô-siberiana). Misy ihany koa ny teny maro avy amin' ny fiteny môngôliana nindramina taloha, ary koa ny findraman-teny vao haingana avy amin' ny fiteny rosiana. Sahala amin' ny fiteny torkika hafa sy ny fiteny prôtô-torkika razambeny, ny fiteny iakoty dia fiteny manambatambatra hasinteny ary misy rindran-janapeo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]