Fahababoana tany Babilôna
Ny fahababoana tany Babilôna na fahababoana babilôniana na sesitany tany Babilôna dia fotoana teo amin' ny tantaran' ny Jiosy izay nanaovana sesitany olona maro avy amin' ny Fanjakan' i Jodà rava ho any Babilôna.
Taorian' ny ady tao Karkemisy tamin' ny taona 605 tal J.K. dia nanao fahirano an' i Jerosalema ny mpanjakan' i Babilôna, Nebokadnetsara, ka nampandoa "hetra" ny mpanjaka Jôiakima (na Jôakima)[1]. Nanda ny hanome haja an' i Nebokadnetsara i Jôiakima tamin' ny faha-4 taona nitondran' i Nebokadnetsara, ka niteraka fahirano vaovao tamin’ ny faha-7 taona nitondran' i Nebokadnetsara, izay nahafaty an' i Jôiakima sy ny fanaovan-tsesitany ny mpanjaka Jôiakina (na Jôasina) sy ny tandapany ary ny hafa koa izany. Natao sesitany tamin' ny faha-18 taona nanjakan' i Nebokadnetsara i Zedekia mpandimby an' i Jôiakina, sy olona maro hafa; nisy koa ny fanaova-tsesitany taty aoriana tamin' ny faha-23 taona nitondran' i Nebokadnetsara. Miovaova ny daty sy ny isan' ny fanaovan-tsesitany ary ny isan' ny natao sesitany voalaza ao amin’ ny Baiboly[2]. Niseho voalohany tamin' ny taona 597 tal. J.K. ireo sesitany ireo izay narakarahin’ ny sesitany hafa tamin’ ny taona 587/586 tal. J.K. sy tamin' ny taona 582/581 tal. J.K.[3].
Taorian' ny fandresen' ny mpanjakan' i Persia (Kirôsy Lehibe) an' i Babilôna tamin' ny taona 539 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jodà (izay niova anarana ho Jodea) ny Jiosy any am-pahababoana[4][5]. Araka ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) dia nanomboka tokony ho tamin' ny taona 537 tal. J.K. ny fanamboarana indray ny Tempolin' i Jerosalema. Heverina ho zava-dehibe eo amin' ny tantaran' ny Jiosy sy ny kolontsainy sady nisy vokany lehibe tamin' ny fivoaran' ny jodaisma izany zava-nitranga rehetra izany.
Misy fikarohana arkeôlôjika izay naneho fa tsy ny mponin' i Jodà rehetra tsy akory no natao sesitany ary na dia noravana tanteraka aza i Jerosalema dia nisy ampahany amin' i Jodà izay nonenan' olona nandritra ny fotoan' ny fahababoana[6]. Niandalana ny fiverenana avy any am-pahababoana fa tsy indray mandeha, ary maro ny olona natao sesitany na ny taranany izay tsy niverina tany Jodà ka lasa razamben' ny Jiosy irakiana.
Ny fitantarana ao amin' ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]Boky mitantara ny fahababoana
[hanova | hanova ny fango]Nampiroborobo ny literatiora jiosy ny vanim-potoan' ny fahababoana. Hita ao amin' ny Bokin' i Jeremia (Jer. 39–43) ny fitantaran' ny Baiboly ny fahababoana (niaina tao Jerosalema sy tany Babilôna tamin' izany fotoana izany ny mpaminany Jeremia sy Ezekiela); ny fizaràna farany ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka; ny Boky faharoan' ny Tantara; ary ny toko voalohany ao amin' ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) izay manomboka amin' ny fahababoana sy manohy izany ao amin' ny Bokin' i Nehemia. Vavolombelon' ny loza niseho ny Bokin' ny Fitomaniana, izay vokatry ny fahababoana babilôniana. Mitantara ny fiverenana avy any am-pahababoana ny Bokin' i Hagay (na Bokin' i Akjea). Misy ny salamo mampahatsiahy mazava ny fahababoana. Anisan' ny asasoratra avy any amin' ny fahababoana na momba ny fahababoana ny fitantarana ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 1 – 6), "I Sozana, i Bela sy ny Dragona", "Ny zatovo telo" (1Esdrasa 3.1 – 5.6) ary ny Bokin' i Tôbia sy ny Bokin' i Jodita [7].
Ny Loharanon' ny mpisorona, izay anisan' ny loharano efatra lehibe nandrafetana ny Tôrah (na Penteteoka) ao amin' ny Baiboly hebreo, dia vokatry ny vanim-potoana taorian' ny fahababoana tamin' ny nahalasa faritany persiana atao hoe Iehoda (Yehud) ny Fanjakan' i Jodà [8]. Tamin' io vanim-potoana persiana io koa no nampandriana an-tsoratra ny Tôrah[9].
Fanaovan-tsesitany
[hanova | hanova ny fango]Faharesena sy fanaovan-tsesitany voalohany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny faran' ny taonjato faha-7 tal J.K. dia nifandray tamin' i Empira Asiriana ny Fanjakan' i Jodà. Tamin' ny taompolo farany amin' io taonjato io dia nazeran' i Babilôna, izay faritany fehezin' ny Asiriana i Asiria. Natahotra ny hiakaran' ny Empira vaovaon' i Babilôna i Egipta ka nandray ny fifehezana ny tanin' i Asiria hatrany amin' ny onin' i Eofrata ao Siria, nefa nanafika azy i Babilôna. Nandritra izany fotoana izany dia maty tamin' ny ady tao Megido tamin' ny taona 609 tal. J.K. i Jôsia mpanjakan' i Jodà.
Taorian' ny nadresen' ny Babilôniana ny tafiky ny farao Nekao tao Karkemisy tamin' ny taona 605 tal. J.K. dia nanomboka naneho fanajana an' i Nebokadnetsara II i Jôiakima. Nisy sasany tamin' ny andriana tanora tao Jodà nentina tany Babilôna.
Tamin' ny taona vitsy manaraka dia nizara roa ny tao an-dapan' i Jerosalema ka ny ampahany iray nanohana an' i Egipta fa ny iray hafa kosa nanohana an' i Babilôna. Taorian' ny nandresen' i Egipta an' i Nebokadnetsara tamin' ny taona 601 tal J.K. dia nikomy tamin' i Babilôna i Jodà, ka niteraka fanaovam-pahirano an' i Jerosalema mandritra ny telo volana izany nanomboka tamin' ny faran' ny taona 598 tal. J.K.[10]. Maty nandritra izany fahirano izany i Jôiakima mpanjakan' i Jodà[11] ka nandimby azy ny zanany Jôiakina tamin' ny faha-18 taonany (2Mpanjaka 24.6-8). Azon' i Nebokadnetsara tamin' ny faha-2 amin' ny volana Adara (16 Marsa) taona 597 tal. J.K. i Jerosalema[12] ka nobaboiny miaraka amin' ny Tempoly, ary nentina tany Babilôna i Jôiakina sy ny tandapany ary ny olona tsongoimbolo hafa koa, anisan' izany ny mpaminany Ezekiela[13].
Faharesena faharoa sy sesitany faharoa sy fahatelo
[hanova | hanova ny fango]Notendrena ho mpanjaka hisolo an' i Jôiakina i Zedekia (na Sedekiasa), nefa ny olona natao sesitany tany Babilôna dia nihevitra an' i Jôiakina ho mpanjakany na lohany ihany.
Na dia nampitandrina an' i Zedekia aza i Jeremia sy ny antoko mpomba an' i Babilôna dia nikomy tamin' i Babilôna ihany i Zedekia ka nikambana tamin' ny farao Hôfra. Niverina i Nebokadnetsara ka nandresy an' i Egipta sady nanao fahirano an' i Jerosalema fanindroany.
Niteraka fandravana ny tanàna tamin' ny taona 587 tal. J.K. izany faheresena izany. Nosimban' i Nebokadnetsara ny mandan' ny tanàna sy ny Tempoly ary ny tranon' ny mponina nanana ny maha izy azy. Nosamborina i Zedekia sy ny zanany izay novonoina teo imasony, avy eo dia nopotsirina ny masony ka nentina tany Babilôna niaraka amin' ny babo maro hafa koa (Jeremia 52.10-11).
Miresaka ny fanaovan-tsesitany fahatelo izay niseho tokony ho tamin' ny taona 581 tal. J.K. ny Bokin' i Jeremia. Ny totalinan' ny olona natao sesitany hatramin' izay dia 20 000 any ho any[14].
I Jodà lasa faritany babilôniana
[hanova | hanova ny fango]Lasa faritany fehezin' i Babilôna i Jodà ka nomen' ny Babilôniana anarana hoe Iehoda (Yehud, izany hoe Jodea), dia tapitra teo ny Fanjakan' i Jodà mahaleo tena. Noho ny taona maromaro banga ao amin' ny tetiandro jiosy dia mametraka ny daty nandravana ny Tempoly voalohany amin' ny taona 3338 TH (423 tal. J.K.) na 3358 TH (403 tal. J.K.) ny loharano rabinika.
Nanendry governora voalohany i Babilôna, dia i Gedalia izay Jodaita tao Jodà; nantsoin' i Gedalia ny Jiosy maro izay nandositra nankany amin' ny firenena akaiky toa an' i Môaba sy i Amôna ary i Edôma mba hiverina, sady nanao izay hampandroso ny tany izy. Fotoana fohy taty aoriana dia nisy tamin' ireo izay sisa velona tamin' ny fianakavia-mpanjaka no namono an' i Gedalia sy ny Babilôniana mpanolotsaina azy, ka maro ny Jiosy mpialokaloka no nandositra tany Egipta. Tamin' ny taompolo faharoan' ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nisy Jiosy maro tany Babilôna sy tany Egipta, ankoatra ny Jiosy nitoetra tao Jodà; izany no nanombohan' ny fisian' ny Jiosy any am-pielezana.
Fahataperan' ny sesitany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) dia natsahatry ny mpanjaka persiana Kirôsy Lehibe ny sesitany tamin' ny taona 538 tal. J.K.[15], iray taona taorian' ny nahazoany an' i Babilôna[16]. Tamin' ny nanapahan' i Zerobabela, andriandahy (antsoina toy izany izy noho izy taranaky ny mpanjaka Davida) sy i Jôsoa mpisorona (taranaky ny mpisoronabe tao amin' ny Tempoly), no nifarana ny fahababoana ka namboarina ny Tempoly faharoan' i Jerosalema tamin' ny taona 521 tal. J.K. hatramin' ny taona 516 tal. J.K.[15].
Famintinana ara-potoana
[hanova | hanova ny fango]Nankinina amin' ny fikarohana nataon' i Rainer Albertz ao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe Israel in exile ny fafana aseho eto ambany[17]. Misy daty hafa koa azo ekena.
Taona | Zava-nitranga |
609 tal.J.K. | Nahafatesan' i Jôsia |
609-598 tal.J.K. | Ny fanapahan' i Jôiakima (izay nandimby an' i Jôahaza – izay nisolo an' i Jôsia nefa tsy nanapaka afa-tsy nandritra ny telo volana) dia nanomboka nitsaoka an' i Nebokadnetsara tamin' ny taona 605 tal. J.K. Fanaovan-tsesitany voalohany. Heverina ho anisan' ny natao sesitany tamin' izany i Daniela (na Daniely). |
598/7 tal.J.K. | Fanjakan' i Jôiakina (nanapaka telo volana). Fahirano sy fianjeran' i Jerosalema. Sesitany faharoa tamin' ny 16 Marsa 597. |
597 tal.J.K. | I Zedekia (na Sedekiasa) nasandratr' i Nebokadnetsara II ho mpanjaka. |
594 tal.J.K. | Fikomiana nanoherana an' i Babilôna |
588 tal.J.K. | Fahirano sy faharavan' i Jerosalema. Narodana ny Tempolin' i Sôlômôna. Sesitany fahatelo tamin' ny Jolay/Aogositra 587. |
583 tal.J.K. | Gedalia – governoran' ny faritanin' i Iehoda (Jodea) notendren' ny Babilôniana. Jiosy maro no nandositra ho any Egipta ka saika niteraka sesitany fahefatra any Babilôna. |
562 tal.J.K. | Fanafahana an' i Jôiakina taorian' ny nitoerany 37 am-ponja tany Babilôna (30). Nijanona tao Babilôna izy. |
539 tal.J.K. | Azon' ny Persiana i Babilôna tamin' ny Ôktôbra 539 tal. J.K. |
538 tal.J.K. | Ny didin' i Kirôsy nampody ny Jiosy ho any Jerosalema. |
520-515 tal.J.K. | Fiverenan' ny Jiosy maro any Iehoda (Jodea) teo ambany fitarihan' i Zerobabela sy i Jôsoa mpisoronabe. Napetraka ny fototry ny Tempoly faharoa. |
Ny lanjan' ny fahababoana eo amin' ny Jiosy sy ny Kristiana
[hanova | hanova ny fango]Ny lanjan' ny fahababoana eo amin' ny tantaran' ny Jiosy
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Baiboly hebreo
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Baiboly hebreo dia asaho ho toy ny famaizana noho ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fanajana an' i Iahveh ny fahababoana tany Babilôna. Mitovy amin' ny fiheverana ny fanandevozana tany Egipta izay nodimbiasan' ny fanafahana izany. Nisy akony maro teo amin' ny jodaisma sy ny kolontsaina jiosy ny fahababoana tany Babilôna. Ohatra, noraisin' ny Jiosy tamin' io vanim-potoan' ny fahababoana io ny abidy hebreo amin' izao fotoana izao, ka nasolony ny abidy hebreo taloha.
Izany vanim-potoana izany no fotoana fara tampon' ny faminaniana ao amin' ny Baiboly ao amin' i Ezekiela, izay narahin' ny fisandratan' ny anjara asan' ny Tôrah teo amin' ny fiainan' ny Jiosy. Araka ny hevitry ny maro amin' ny mpitsikera hentitra ny tantara dia nosoratana tamin' ny vanim-potoan' ny fahababoana ny Tôrah sady tamin' izany no nanomboka niheveran' ny Jiosy azy ho soratra manam-pahefana (Soratra Masina). Io vanimpotoana io koa no nisehoan' ny fiovana teo amin' ny Jiosy izay lasa vondrona ara-poko sy ara-pivavahana afaka misy na tsy manana tempoly aza[18].
Nifanojo amin' ny fisandratan' ny mpanora-dalàna sy ny olonkendry mpitarika ny Jiosy izany (jereo Ezra). Talohan' ny fahababoana dia voazara ho foko maro ny vahoakan' i Israely. Avy eo dia nitsitokotoko ho vondrona madinika isam-pianakaviana. Ny fokon' i Levy ihany no nanohy ny anjara asany ao an-tempoly taorian' ny fiverenana avy any am-pahababoana. Taorian' izany fotoana izany dia nisy Jiosy marobe nonina ivelan' ny tanin' i Israely; teo koa no nanombohan' ny fisian' ny zanaka am-pielezana jiosy (diaspôra), raha tsy hoe efa nanomboka izany tamin' ny famaboan' ny Asiriana an' i Israely.
Ao amin' ny literatiora rabinika
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny literatiora rabinika dia ataon' ireo izay any am-pielezana sarin-teny fanoharana i Babilôna. Matetika dia ilazana ny diaspôra talohan' ny fandravana ny Tempoly faharoa ny teny hoe "Babilôna". Taty aorian' ny faharavan' ny Tempoly faharoa dia ny hoe "Rôma" na "Edôma" no teny nampiasaina.
Ny lanja ara-tandindon' ny fahababoana eo amin' ny Kristiana
[hanova | hanova ny fango]Eo amin' ny fahasahiranan' ny Eglizy a katôlika
[hanova | hanova ny fango]Ny fitenenana hoe "fahababoana babilôniana" izay mampahatsiahy izany vanim-potoana izany dia anoharana ny toerana nisy ny fitondran' ny Papa tany Avignon tany Frantsa teo anelanelan' ny taona 1309 sy 1378 (Klemento V, Joany XXII, Benedikto XII, Klemento VI, Inôkentio VI, Orbano V, Gregôrio XI), sy teo anelanelan' ny taona 1378 sy 1418 (Klemento VII, Benedikto XIII).
Eo amin' ny tantaran' ny finoana
[hanova | hanova ny fango]Oharina koa amin' ny fahababoana tany Babilôna ny toerana misy ny fiangonana lavitra ny tena finoana marina. I Lotera ohatra dia nanao ny fitondran' ny Papa ho sahala amin' ny fahababoana babilôniana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Coogan, Michael (2009). A Brief Introduction to the Old Testament. Oxford: Oxford University Press.
- ↑ Moore, Megan Bishop; Kelle, Brad E. (2011). Biblical History and Israel S Past: The Changing Study of the Bible and History. Wm. B. Eerdmans Publishing. pp. 357–58. ISBN 0802862608.
- ↑ Dunn, James G.; Rogerston, John William (2003). Eerdmans Commentary on the Bible. Wm. B. Eerdmans Publishing. p. 545. ISBN 978-0-8028-3711-0.
- ↑ Jonathan Stökl, Caroline Waerzegger (2015). Exile and Return: The Babylonian Context. Walter de Gruyter GmbH & Co. pp. 7–11, 30, 226.
- ↑ Encyclopaedia Judaica. 3 (2nd ed.). p. 27.
- ↑ Stern, Ephraim (November–December 2000). "The Babylonian Gap". Biblical Archaeology Review. 26 (6).
- ↑ "Ancient tablets reveal life of Jews in Nebuchadnezzar's Babylon". 3 February 2017 – via Reuters.
- ↑ Blum, Erhard (1998). "Issues and Problems in the Contemporary Debate Regarding the Priestly Writings". In Sarah Shectman, Joel S. Baden. The strata of the priestly writings: contemporary debate and future directions. Theologischer Verlag. pp. 32–33.
- ↑ Finkelstein, Israel; Silberman, Neil Asher (2001). The Bible Unearthed: Archaeology's New Vision of Ancient Israel and the Origin of Its Sacred Texts. Simon and Schuster. ISBN 978-0-684-86912-4
- ↑ Geoffrey Wigoder, The Illustrated Dictionary & Concordance of the Bible Pub. by Sterling Publishing Company, Inc. (2006)
- ↑ Dan Cohn-Sherbok, The Hebrew Bible, Continuum International, 1996. ISBN 0-304-33703-X
- ↑ Philip J. King, Jeremiah: An Archaeological Companion (Westminster John Knox Press, 1993), p. 23.
- ↑ The Oxford History of the Biblical World, ed. by Michael D Coogan. Pub. by Oxford University Press, 1999. p. 350
- ↑ Geoffrey Wigoder (dir), Dictionnaire Encyclopédique du Judaïsme, page 1250,(ISBN 2204045411),Éditions du Cerf
- ↑ 15,0 et 15,1 "Second Temple Period (538 BCE. to 70 CE) Persian Rule" Archived Novambra 3, 2018 at the Wayback Machine. Biu.ac.il. Notsidihina 21/01/2014.
- ↑ Harper's Bible Dictionary, ed. by Achtemeier, etc., Harper & Row, San Francisco, 1985, p. 103
- ↑ Rainer Albertz, Israel in exile: the history and literature of the sixth century BCE, p.xxi.
- ↑ A Concise History of the Jewish People. Naomi E. Pasachoff, Robert J. Littma. Rowman & Littlefield, 2005. p. 43