Tetikasa iray lehibe iarahantsika manamboatra ny rakipahalalàna (encyclopédie) malagasy amin'ny internet. Raha tianao dia azonao atao ny misoratra ho mpikambana.
Mba hahazoantsika sary an-tsaina hoe ahoana ny momba ny wikipedia dia
azontsika jerena ny amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny anglisy. Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia mandehana eto na eto.
Amin'izao fotoana izao dia misy Takelaka97 129 voaangona ato
Mpikambana 33 018 no nanoratra anarana ato,
dia miandry anao hanatevin-daharana.
Ny ahidambo dia bozaka maniry mandavan-taona, manindrona amin' ny alalan' ny voniny rehefa antitra, sady mipetaka amin'ny lamba izany voniny izany, maniry amin'ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin' izao tontolo izao. Ao amin' ny fianakaviana Poaceae no misy azy. Heteropogon contortus na Andropogon contortus no anarany ara-tsiansa. Izy no tena fahita betsaka ao amin' ny fatrana aty Madagasikara, atao hoe danga.
Ity bozaka ity dia mamorona vondrona mahatratra 75 ka hatramin' ny 120 sm eo ho eo rehefa mamony. Mitsangana sy manify ary tsotra (na misy rantsana iray na roa) ny tahony. Ny ravina dia mifandimby, 2-5 mm ny sakany ary hatramin' ny 15 sm ny halavany. Ny kambin-tsikiny dia misy tsibolo. Ny raviny ambony dia matetika no manarona ny fototry ny sofim-boany. Ny fototra ahidambo iray dia mitondra sofim-boany iray na vitsivitsy. Ny sofim-boany tsirairay, izay tery sy miendrika varingarina, dia mirefy 3 hatramin'ny 7 sm raha tsy isaina ny volony. Amin' ny fahamasahany, ny voan' ny ahidambo, ny fonony, ny volony, ny tsilony ary ny raviny dia mitambatra boribory ka entin' ny rivotra na miraikira amin' ny volom-biby na amin' ny lamban' ny olona. Ny voan' ny ahidambo dia voamadinika. (tohiny...)
Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.
Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)
Ity ny pejy momban'ny efemerida miseho eo amin'ny pejy fandraisana. Ny pejy efemerida dia fahatsiarovana aseho eo amin'ny pejy fandraisana ary miova isan-andro.
Ankehitriny eto amin'ny wikipedia malagasy, ny isan'ny lahatsoratra efa noforonina dia misy 97 129. Mpikambana 33 018 no efa nisoratra anarana teto, ary 45 tamin'ireo no nanova pejy teto tamin'ny 30 andro lasa teo.
Ny Wikipedia dia raki-pahalalàna azon'ny tsirairay ovaina, ary tonga dia hitan'ny mpitsidika avy hatrany ny fanovana notehiriziny, raha manaraka ny fitsipika napetraky ny fikambanana. Misy pejy fanoroana sasantsasany afaka manoro anao hoe ahoana no manova ny pejy na manova lahatsoratra, na mampiditra sary. Anontanio ny mpandrindran'ity wiki ity raha manana fanontaniana manokana ianao.
Ho raisina ao amin'ny pejin-dresaka na ao amin'ny toerana iombonana ny adihevitra mety hisy mikasika ny lahatsoratra. Ny pejin-dresaka dia ahafahana manapa-kevitra momban'ny votoatiny tokony apetraka na tokony esorina, ary ahafahana maminavina ny hatsara ny lahatsoratra.