Sokajy:Fikarohana momban'ny fiteny

Avy amin'i Wikipedia

Fikarohana momba ny teny Matoa ianao nipendy (cliquer) teto, liana amin'ny teny. Inoako fa ho maro ny olona hiara-miasa amin'ity takelaka ity na dia noho ny fahatsapana fotsiny aza fa ny fisian'ny teny no ahazaontsika tsy mpahay rindrankajy miditra eto amin'ity raki-pahalalana malalaka ity. Izany raki-pahalalana izany rahateo dia tsy afaka nisy mihitsy raha tsy teo ny teny hilazana ny fahalalana tiana hozaraina amin'ny hafa. Manainga anao hanatevina ity takelaka ity! Ny fikarohana momba ny teny amin'ny maha teny azy (recherche linguistique) dia atao amina habaka manokana toy ny foibe na ivontoeram-pikarohana ivondronan'ireo fatra-pahay momba izany ka anaovan'izy ireo fandalinana sy anofanana mpikaroka hafa. Tsy izay no heverina hatao eto fa ny fikarohana momba ny fampiasana ny teny. Maro sampana anefa ny fampiasana teny ary voalohany amin'izany ny resaka ianaovan'ny olona na vondron'olona "mifanamboatra" mivantana (mifanatrika na toy ny mifanatrika ka afaka mifandimby miteny). Ny fisian'ny -if- ao anatin'ny mifanamboatra dia ilazana fa asa ifamaliana io : ny A mamboatra ny B ary ny B mamboatra ny A, saingy tsara hotsarovana dieny izao fa na i A na i B dia efa samy namboarin'olon-kafa koa

Tsy misy pejy, zana-tsokajy na sary ao anatin'io sokajy io