Wikipedia:Sosokevitra

Avy amin'i Wikipedia

Fandraisana[hanova ny fango]

Misaotra anao mametraka sosokevitra momba ny hanatsarana ity wikipedia amin'ny teny malagasy ity. Azonao apetraka isaky ny sokajy ny sosokevitra.

Sosokevitra momba ny vontoatiny[hanova ny fango]

Vao manandrana fotsiny!

Sosokevitra momba ny endrika[hanova ny fango]

Ataovy tsara ianao.

Sosokevitr'i Poizina[hanova ny fango]

Tsara ny fisian'ireo sokajy misy sarisary kely eo amin'ny pejy fandraisana. Nefa rehefa manokatra pejy iray amin'ireo dia ilay pejin-tsokajy tsy dia manintona misy lisitra zana-tsokajy sy pejy mifandraika iny no hita.

Azo heverina ve ny hanovana an'ireo sokajy ireo ho lasa "portails"("portals") ? Amin'izay dia afaka atao tsara endrika ny fanehoana ireo zana-tsokajy, sy ireo pejy mifandraika. Tsy voatery atao be dia be ireo "portails", fa izay tena manan-danja sy mahafehy sokajy maro no atao amin'ny voalohany.

Izaho manokana anefa mbola tsy mahay ny fampiasana ireo "portails" ireo.

Raha azo atao ilay izy, dia ahoana no iantsoantsika an'ilay hoe "portail"?

Valin-tenin'i Jagwar[hanova ny fango]

Manaiky izany sosokevitra izany aho, fa raha tiana hovàna ho portail ireo sokajy ireo dia mila foronina ary fenoina aloha ilay pejy, mba tsy hanolotra pejy zara fa vita, na am-panamboarana.

Hita eto amin'ity pejy fanoroana ity ny momban'ny famoronana portail. Vakio koa ity valin-teny ity raha mitady fomba fanolorana portail iray.

Raha efa vonona ny hamorona "portail" ianao dia ataovy lisitra eto ireo rohim-pejy dia havaozina ny pejy fandraisana rehefa vita ; satria mba tsy hanimban'ireo olona ny pejy fandraisana, tsy natao ho afaka ovain'ny mpikambana rehetra io pejy io.

Mikasika ny fiantsoana ilay "portail", raha amiko dia teny roa no tonga ato an-tsaiko : "Raki-pahalalana" ary "Fandraisana", noho izy ireo miseho ho raki-pahalalana izay mikasika ny taranja iray manokana (siansa, haitsikerafiteny, hosodoko...). Raha manaraka ny lojikan'ny tetikasa amin'ny teny malagasy isika dia "Raki-pahalalana" no hofidiana, satria eo amin'i Wikibolana malagasy, ny teny "Rakibolana" no handikana ny teny "portail/portal".

Na inona na inona ny hevitra ho tapaka, dia ho sahala izao ny lohatenin'ilay pejy : Fandraisana:<lohahevitra> na Rakipahalalana:<lohahevitra>.

Sosokevitra fanitsiana[hanova ny fango]

Sosokevitra momba ny mpandrindra[hanova ny fango]

Raha te hangataka ny ho mpandrindra dia azonao atao ny mametraka ny fangatahana eto amin'ity toerana ity.