Kolontsaina ao Oganda

Avy amin'i Wikipedia
Toà mandihy

Ny kolontsaina ao Oganda dia fifangaroan' ny kolontsain' ny foko isan-karazany ao amin' io firenena io miampy ny kolontsaina avy any ivelany, izay mahakasika ny fivavahana sy ny fanabeazana sy ny fiteny sy ny sehatra maro hafa. Vahoaka banto no maro anisa amin' ny mponina ao Oganda, nefa ahitana vahoaka nilôtika avy amin' ny lohasahan' ny ony Nily ihany koa ao. Kristiana ny ankamaroan' ny vahoaka ogandey.

Vahoaka ao Oganda[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina ao Oganda dia niisa 24 200 000 tamin' ny taona 2002. Niisa 31 400 000 izy ireo tamin' ny taona 2008 ary manana hakitroka 157,1 mp/km². Niisa 38 000 000 izy ireo tamin' ny taona 2016. dia 66 ‰ ny taham-pahafatesan' ny zaza ary 52 taona ny salam-pahaveloman' ny olona ao.

Mizara ho vondrona ara-piteny sy ara-kolontsaina roa lehibe ny mponin' i Oganda. Ao ny Banto, izay mahatratra roa ampahatelon' ny mponina sy monina ao amin' ny tapany atsimo ao Oganda (ny Baganda, ny Baniankôle, ny Babiôrô ary ny Tôrô), sy ny vahoaka nilôtika izay monina ao avaratra (ny Akôly na Asôly, ny Karamônjônga ary ny Langô), ary ny mpitsoa-ponenana roandey sy sodaney ary kôngôley.

Ny fiteny[hanova | hanova ny fango]

Sarin-tany maneho ny fizaràn' ny fiteny ao Oganda

Ny fiteny anglisy sy ny fiteny soahily no fiteny ôfisialin' i Oganda. Maro koa ny fiteny banto (toy ny fiteny loganda) sy ny ny fiteny nilôtika (toy ny fiteny akôly sy fiteny loô) tetenin' ny mponina ao Oganda.

Ny Sinoa miisa 10 000 eo ho eo monina ao Oganda dia miteny sinoa mandarina. Miteny hindy sy tamoly ary bengaly ny Indiana.

Ny fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Ny kristianisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2014 dia ny 82,4 % n' ny mponina ao Oganda dia Kristiana: ny 39,3 % Katôlika, ny 32,0 % Anglikana, ny 11,1 % Pentekôtista, ny 1,7 % Adventista, ny 0,3 % Batista, ny 0,1 % Ôrtôdôksa.

Ny fivavahana silamo[hanova | hanova ny fango]

Uganda National Mosque

Ny 13,7 % n' ny Ogandey dia Mizilmàna. Mikambana ao amin' ny Fikambanam-Piaraha-Miasa Islamika (arabo: منظمة التعاون الإسلامي / Munaẓẓamat at-Taʿāwun al-islāmī; angl.: Organisation of Islamic Cooperation; fr.: Organisation de la Coopération Islamique) i Oganda.

Ny fivavahan-drazana[hanova | hanova ny fango]

Ny 0,1 % n' ny mponina ao Oganda no manaraka fivavahan-drazana. Be dia be anefa ny Kristiana sy Mozilmàna ogandey mampifangaro finoana ka mbola manaraka ny finoan-drazana afrikana, na manao ny fombafomba sasany momba izany, toy ny fanaovana sorona ho an' ny fanahin' ny olona efa maty.

Fivavahana hafa[hanova | hanova ny fango]

Ahitana fivavahana toy ny jodaisma, ny hindoisma, ny finoana bahay ary ny bodismakoa ny ao Oganda.

Ny fanabeazana[hanova | hanova ny fango]

Ny fanabeazana[hanova | hanova ny fango]

Tilikambon'ny Makerere University

Ny roa ampahatelon' ny mponina dia mahay mamaky teny sy manoratra. Latsaka ny atsasaky ny isan' ny zaza roa ambin' ny folo hatramin' ny fito ambin' ny folo taona no mianatra.

Ao amin' ny Makerere University, izay niorina tamin' ny taona 1922, sy  ao amin' ny Uganda Techical College, izay voatsangana tamin' ny taona 1954, no anohizana ny ambaratonga ambony, izay samy ao Kampala.

Ny haino aman-jery[hanova | hanova ny fango]

Ny Radio Uganda izay fampielezam-peom-pirenena dia miteny anglisy sy frantsay sy arabo ary amin' ny fiteny afrikana maro koa. Tsy dia mandroso firy ny fahitalavitra sy ny telefônina. Ny gazety mpiseho isan’ andro New Vision, izay an’ ny fanjakana, dia vokarina ao Kampala.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]