Fiteny nilôtika
Apparence
Ny fiteny nilôtika dia vondrom-piteny ao amin' ny sapam-piteny sodanika atsinanana an' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, , izay tenenin' ny vahoaka nilôtika. Mitsinjara amin' ny faritra midadasika hatrany Sodàna Atsimo, any Kenia, any Oganda ka hatrany Tanzania ireo fiteny ireo.
Faritra misy ny mpiteny nilôtika
[hanova | hanova ny fango]Ahitana mpiteny nilôtika koa ny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ny any Etiôpia, ny any Kenia, ny any Sodàna, ny any Sodàna Atsimo, ny any Tanzania ary ny any Oganda.
Fisampanany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajiana nataon' ilay mpahay fiteny Joseph Greenberg dia mizara ho sampana telo ny fiteny nilôtika:
- Fiteny nilôtika atsinanana (fiteny turkana sy maasai, ohatra);
- Fiteny nilôtika atsimo (fiteny kalenjin sy datooga, ohatra);
- Fiteny nilôtika andrefana (fiteny luo sy nuer ary dinka, ohatra).