Fokon' i Jodà

Ny fokon' i Jodà dia iray amin' ny foko roa ambin' ny folon' i Israely. Nanana ny toerany manokana ny fokon' i Jodà amin' ny maha foko voalohany ao amin' ny Fanjakan' i Jodà azy.
I Jodà na Joda[hanova | hanova ny fango]
I Joda (hebreo: יְהוּדָה / Yehuda) dia zanaka fahefatr' i Jakoba tamin' i Lea izy. Izy ilay nandresy lahatra ireo rahalahiny hivarotra an' i Josefa tamin' ny Ismaelita mpividy olona fa tsy hamono azy (Gen. 36.26-27); izy no niantoka ny hampodiana an' i Benjamina faralahy eo amin-drainy mba hahafahana mitondra azy any Egipta araka ny sitrapon' ilay manam-pahefana egiptiana (dia i Josefa ihany). I Jodà no nahazo ny tsodranon' i Jakoba ho lehiben' ny zokiny izay tsy nanaja an-drain' izy ireo. Ireto avy ny zanak' i Jodà: Era, Onana, Sela, Pereza ary Zera (Genesisy 46.12).
Ny anjara tanin' ny fokon'i Jodà[hanova | hanova ny fango]
Ao amin' ny Bokin' i Jôsoa (Jôs. 15) no iresahana ny anjara tany azon' ny fokon' i Jodà tao Kanaana. Tsy hita ao amin' ny Hiran' i Debôra ny fokon' i Jodà[1]. Nanana ny toerany manokana ny fokon' i Jodà amin' ny maha foko voalohany ao amin' ny Fanjakan' i Jodà azy, ary avy ao aminy no voalaza fa nivoahan' ny mpanjakan' i Jodà (afa-tsy ny mpanjaka telo farany tao Jodea (na Jodia), dia ireo Hasmôneana izay Levita). Araka ny Baiboly dia efa voalazan' ny faminaniana ao amin' ny Tsodranon' i Jakoba, izay nanambara fa tsy tokony hiala avy ao Jodà ny tehina ary ny tehim-panjakana tsy hivoaka avy eo anelanelan' ny tongony.
Olona isan' ny fokon' i Jodà[hanova | hanova ny fango]
Isan' ny fokon' i Jodà i Davida sy ny nitaranaka azy, dia i Bôaza sy i Obeda ary i Jese. Araka ny finoana jiosy dia isan' ny fokon' i Jodà ny Mesia satria nampanantena ny fitohizan' ny fanapahan' i Jodà ny Fanjakana ilay tsodrano. Maro ny olona manana ny maha izy azy izay isan' ny fokon' i Jodà, ka isan' izany i Isaia, i Habakoka, i Jôela (na Jôely), i Mika (na Mikea), i Ôbadia (na Abdiasa), i Zakaria ary i Zefania (na Sôfônia).
Taty aoriana, nandritra ny fahababoana tany Babilôna, dia isan' ny fokon' i Jodà ny mpitarika voatendrin' ny mpanjaka babilôniana hitondra ny vahoaka jiosy, torak' izany koa rehefa tapitra ny fahababoana ka isan' izany i Zerobabela (lehiben' ny Jiosy nody tany Jodea voalohany), i Seltiela ary i Nehemia (izay isan' ny governoran' i Jodea notendren' ny Akemenida). Tamin' ny andron' ny Rômana dia voalaza ho isan' ny fokon' i Jodà ny andriandahy (hebreo: Nasi) taorian' i Semaia, satria izy rehetra ireo dia taranak' i Hilela izay voalaza fa nateraky ny vehivavy taranak' i Davida.
Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]
- Fokon' i Israely: Robena - Simeôna - Levy - Jodà - Isakara - Zabolôna - Dana - Naftaly - Gada - Asera - Josefa (Manase sy Efraima) - Benjamina.
- Fanjakan'i Jodà
Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]
- ↑ Ny tantaran' i Debôra dia hita ao amin' ny toko faha-4 sy faha-5n' ny Bokin' ny Mpitsara. Ny toko faha-4 dia fitantarana amin' ny lahateny tsotra fa ny toko faha-5 kosa dia amin' ny endrika tonon-kalo - izay atao hoe "Hiran' i Debôra" na "Antsan' i Debôra".