Deoterônômia toko faha-14

Avy amin'i Wikipedia

Ny Deoterônômia toko faha-14 na Deoterônômy toko faha-14 dia toko ao amin' ny Bokin' ny Deoterônomia na Deoterônômy ao amin' ny Baiboly.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikanteny prôtestanta malagasy[hanova | hanova ny fango]

1 Zanak' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin' ny handrinareo noho ny amin' ny maty. 2 Fa firenena masina ho an' i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin' ny tany.

3 Aza mihinana izay fahavetavetana. 4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy 5 sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra: 6 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo. 7 Nefa amin' izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rabitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy; 8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan' ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo. 9 Ary amin' izay rehetra ao anatin' ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo; 10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy. 11 Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo. 12 Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay 13 ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy 14 ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy, 15 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy, 16 ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa 17 ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana 18 ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy. 19 Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo. 20 Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo. 21 Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an' ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin' ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an' i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak' osy amin' ny rononon-dreniny.

22 Aloavy tsara ny ampahafolon' ny vokatra rehetra avy amin' ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona; 23 dia aoka ho eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao eo amin' ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon' ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman' osinao, mba hianaranao hatahotra an' i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva. 24 Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin' i Jehovah Andriamanitrao ianao, 25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin' ny tany izay hofidin' i Jehovah Andriamanitrao; 26 ary ny vola dia amidio izay rehetra tian' ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian' ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan' i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin' ny ankohonanao; 27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy. 28 Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon' ny vokatrao rehetra amin' izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao; 29 ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin' i Jehovah Andriamanitrao ianao amin' ny asan-tananao rehetra izay ataonao.

Dikanteny katôlika malagasy[hanova | hanova ny fango]

1 Zanak' Iaveh Andriamanitrareo hianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin' ny elanelan-masonareo, noho ny amin' ny maty.

2 Fa vahoaka masina ho an' ny Tompo Andriamanitra hianao, ary nofidin' ny Tompo mba ho vahoakany manokana amin' ny firenena rehetra eto ambonin' ny tany. 3 Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.

4 Izao no biby ho fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,

5 ny serfa, ny gazela, ny daima, ny osy dia madinika, ny antilopa, ny ombimanga, ny osy dia. 6 Rahefa mety ho biby mivaky kitro sy mitsampan-tongotra ary mandinika dia hano; 7 fa aza mihinana izay mandinika fotsiny, na izay mivaky kitro sy misampan-tongotra fotsiny, toy ny rameva sy ny bitro dia amam-bitro, fa mandinika ireo, fa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireny; 8 toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny. 9 Izao no biby hohaninareo amin' izay rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombo aman-kirany dia hohaninareo,

10 fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany. 11 Hano avokoa ny vorona madio rehetra.

12 Izao no tsy hohaninareo: ny egla, ny orofiray, ny papango; 13 ny voromahery, ny fanindry, mbamin' ny aotoro isan-karazany; 14 ny goaika isan-karazany, 15 ny ostrisa, ny tararaka, ny vorondriaka, mbamin' ny hitsikitsika isan-karazany; 16 ny vorondolo, ny ibisy, ny vorondolo be; 17 ny pelikano, ny manarana, ny vivy, 18 ny vano be, mbamin' ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy. 19 Ny biby kely manan' elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana izany. 20 Fa ny vorona madio rehetra no hano. 21 Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin' ny vahiny. Fa hianao dia vahoaka masina ho an' ny Tompo Andriamanitrao. Aza mahandro zanak' osy amin' ny rononon-dreniny.

22 Atokano ny fahafolon' ny vokatra rehetra avy amin' ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.

23 Ary hohaninao eo anatrehan' ny Tompo Andriamanitrao, amin' izay fitoerana hofidiny hamponenany ny anarany, ny fahafolon' ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin' ny voalohan-teraky ny omby aman-ondrinao, mba hianaranao hatahotra an' ny Tompo Andriamanitra mandrakariva. 24 Nefa raha lavitra loatra ho anao ny làlan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran' ny fitoerana hofidin' ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany, rahefa nambinin' ny Tompo Andriamanitrao hianao, 25 dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino ao an-tànanao ny vola dia mankanesa amin' ny fitoerana izay nofidin' ny Tompo Andriamanitrao. 26 Amidio izay rehetra irin' ny fanahinao amin' ny vola, na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikola, izay rehetra tian' ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan' ny Tompo Andriamanitrao, ary mifalia hianao sy ny ankohonanao. 27 Aza manary ny Levita izay ao anatin' ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy. 28 Amin' ny faran' isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon' ny vokatrao rehetra amin' izany taona izany, ary ataovy eo anatin' ny vavahadinao.

29 Ka aoka ho avy amin' izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin' ny vahiny sy ny kamboty amam-pitondrantena izay ao anatin' ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky mba hanambinan' ny Tompo Andriamanitrao anao amin' ny asa rehetra ataon' ny tànanao.