Aller au contenu

Ramanavy

Avy amin'i Wikipedia
Ramanavy

Ny ramanavy dia biby mampinono manana tranon-jaza, toy ny totozy nefa manana elatra, anisan' ny ramanavy, ohatra, ny manavikely sy ny manavibe ary ny fanihy. Mamorona filaharana atao hoe Chiroptera ny ramanavy.

Misy karazanya efa ho 1 400 eo ho eo ny Chiroptera, izany hoe ampahadimin' ny karazana biby mampinono 6 500 fantatra, mitsinjara amin' ny vondron-karazana 175 mivondrona ho fianakaviana 20. Io no vondrom-biby mampinono lehibe indrindra aorian' ny biby mpikiky (Rodentia).

Ny ramanavy no hany biby mampinono afaka manidina mikopaka elatra. Mivezivezy eny amin' ny rivotra izy ireo amin' ny alalan' ny elatra miforona avy amin' ny fonon-koditra eo anelanelan' ny vatana sy ny rantsambatana ary ny rantsantanana. Ny ankamaroan' ny karazana dia mahalana ihany no mipetrapetraka amin' ny tany ary tsy afaka mandeha tsara eo.

Matetika dia afaka mamantatra ny toetran' ny toerana halehany ireo biby manidina amin' ny alina ireo amin' ny alalaan' ny akon' ny feo alefany. Mivoatra indrindra ao amin' ny Microchiroptera mpihinana bibikely io fahaiza-manao io; amin' ny alina izy ireo no tena mihetsika indrindra, mizotra ao anaty haizina amin' ny alalan' ny fandefasana feo manana hetetika bitika (ultrason) izay raisiny ny fiverenan' ny akony, ka mamantatra ny toerana misy ny rembiny sy ny sakana mety hisy. Miantehitra kokoa amin' ny masony sy ny fanamboloany kosa ny Megachiroptera.

Zana-pilaharana roa no ekena fisiana ao amin' ny fanakilasiana klasika: ny Microchiroptera manana maso kely sy sofina lehibe sy ny Megachiroptera manana maso lehibe sy kely sofina. Ny Microchiroptera dia ahitana fianakaviana 17, vondron-karazana 146 eo ho eo ary karazana 814, kely vatana, afaka mamantatra ny toerana sy ny rebiny amin' ny alalan' ny ako, ary ny Megachiroptera dia tsy misy afa-tsy fianakaviana iray misy vondron-karazana 41 eo ho eo sy 170 karazana anisan' izany ny fanihy, somary lehibe. Vao haingana, araka ny fikarohana miorina amin' ny môlekiola, ity filaharana ity dia nozaraina ho zanakarazana roa vaovao roa mba hanapaka ny parafilian' ny Microchiroptera: ny Yinpterochiroptera sy ny Yangochiroptera.

Any amin' ny faritra misy olombelona na fandripahana ala dia maro ny karazana ramanavy no mihena be na nanjavona amin' ny toerana sasany. Anaovana drafitra famerenana amin' ny laoniny na manana sata arovana, ny sasany, indrindra any Frantsa.

Amin' ny kolontsaim-bahoaka dia mety ho tsara na ratsy ny ramanavy, arakaraka ny firenena. Noho ny endriny hafahafa sy ny fiainany amin' ny alina ary ny zava-miafina manodidina ny fomba fiainany, dia matetika izy ireo no iharan' ny hevi-diso efa voarain' ny olona hatry ny ela izay nitarika ny fanenjehana azy ireo.

Fanakilasiana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pilaharana sy fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Misy roa ny zana-pilaharana, araka ny fanakilasiana klasika, dia ny Megachiroptera (Dobson, 1875) sy ny Microchiroptera (Dobson, 1875).

Megachiroptera

[hanova | hanova ny fango]

Microchiroptera

[hanova | hanova ny fango]
  • Craseonycteridae
  • Emballonuridae
  • Furipteridae
  • Hipposideridae
  • Megadermatidae
  • Molossidae
  • Mormoopidae
  • Mystacinidae
  • Myzopodidae
  • Natalidae
  • Noctilionidae
  • Nycteridae
  • Phyllostomidae (anisany ny ramanavy vampira)
  • Rhinolophidae
  • Rhinopomatidae
  • Thyropteridae
  • Vespertilionidae

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Miisa roa toa ramanavy : manidina vorona, mipetraka totozy.