Vombo

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Lampanyctodes hectoris (Hector's lanternfish) fins.svg

Ny vombo na vombona dia rantsam-batana fisaka sy somary mivelatra amin' ny ankapobeny, izay ahafahan' ny biby anaty rano mifindrafindra. Maro ny biby an-drano misy vombony, ka ny fantatra indrindra dia ny karazan-trondro maro sy ny biby sasany mitovitovy amin' ny horita. Indraindray koa dia ahafahan' ny trondro sasany manidina ny vombony.