Aller au contenu

British East India Company

Avy amin'i Wikipedia
Mariky ny East India Company tany amin' ny taona 1700 any ho any.

Ny British East India Company (taloha: East India Company) dia orinasam-barotra anglisy, avy eo britanika, niorina tamin' ny taona 1600 ary rava tamin' ny taona 1874, niforona mba hisahana raharaham-barotra aty amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, tamin' ny voalohany tamin' i India Atsinanana (ny Zana-Kôntinenta Indiana sy i Azia Atsimo Atsinanana)[1], ary taty aoriana tamin' i Azia Atsinanana. Ity orinasa ity dia niorina tamin' ny 31 Desambra 1600 araka ny didin' ny mpanjakavavy Elizabeth I any Angletera izay nanome azy ny fanaovana ampihimamba ny varotra aty amin' ny Ranomasimbe Indianina nandritra ny 20 taona.

Ity orionasa ity dia laharana voalohany tamin' ny orinasa eorôpeana niorina tamin' ny taonjato faha-17 mba hanafihana sy hakana an' i India Atsinanana sy hanjakazaka amin' ny fanaovana raharaham-barotra amin' i Azia, izay nifaninana tamin' ny Vereenigde Oostindische Compagnie ("Orinasa Hôlandein' i India Atsinanana"), ary nisongona ny Compagnie française des Indes orientales ("Orinasa Frantsain' i India Atsinanana") izay rava tamin' ny fakàny ny fananan' ity orinasa ity any India, sady tafavoaka tamin' ny fahasahiranana ara-bola lehibe. Nandray anjara betsaka tamin' ny fitsanganan' ny Empira Britanika izy.

Lasa orinasa ara-barotra matanjaka indrindra tamin' ny androny ny British East India Company ary nahazo ny fahefana ara-miaramila sy ara-pitantanan-draharaha amin' ny fitantanana ny fari-tany indiana midadasika. Voadona mafy tamin' ny fivoarana ara-toekarena sy ara-pôlitika tamin' ny taonjato faha-19 izy ka nihena tsikelikely ny tanjany ary rava tamin' ny taona 1858 taorian' ny fikomian' ny sepôy (miaramila indiana niasa tao amin' ny tafiky ny firenena tandrefa).

Avy any amin' ny foibeny any Lôndra, dia nipaka hatrany amin' ny kôntinenta rehetra ny heriny: izy dia nitarika ny famoronana an' i India Britanika (Brtish Indies) sy ny Raj Britanika, nanorina an' i Hong Kong sy i Singaporo, nampiely ny fambolena dite tany India sy ny fampiasana ny rongony opium tany Sina, nitazona an' i Napoléon ho babo tao Saint Helena[2], ary nandray anjara mivantana tamin' ny Boston Tea Party[3] izay nanombohan' ny ady ho an' ny fahaleovantenan' i Etazonia.

Fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny faritr' i India Atsinanana dia mahafaoka ny tanin' i Azia Atsimo sy Azia Atsimo Atsinanana, izany hoe i Balochistan Iraniana, i Pakistàna, i India, i Nepaly, i Botàna, i Bangladesy, i Mianmara (Birmania), i Srilanka, i Maldiva, i Tailandy, i Malezia, i Vietnamy, i Kambôdia, i Laôsy, i Filipina, i Broney, i Singapôro, i Timôro Atsinanana ary i Indônezia (antsoina hoe India Atsinanana Hôlandey talohan' ny fahaleovantena), afa-tsy i Ginea-Vaovao Andrefana, izay anisan' i Melanezia.
  2. I Sant Helena dia nosin' afotroa any amin' ny Ranomasimbe Atlantika, 1 856 km avaratra-andrefan' i Namibia.
  3. Ny Boston Tea Party dia fikomiana tao Boston, renivohitry ny Faritanin' i Massachusetts Bay, nanohitra ny Antenimiera Britanika tamin' ny taona 1773, izay nisakanan' ny mponina tao ny sambo tsy hampidina entana, ary tsy maintsy niverina tany Angletera niaraka tamin' ny dite rehetra ny sambo, afa-tsy ireo sambo nijanona tao Boston.