Boky voalohan'ny Makabeo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Boky voalohan'ny Makabeo dia boky ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika atao hoe Septoaginta na Septanta. Io boky io dia mitantara ny zavatra nataon'ny fianakaviana Asmoneana nadritra ny tolona nataon'ireo Jiosy ho an'ny fahaleovantenany teo anelanelan'ny taona 175 sy 135 tal. J.K. Tsy hita ao amin'ny Tanakh (Baiboly jiosy amin'ny fiteny hebreo) ny Boky voalohan'ny Makabeo. Boky deoterokanonika izy ao amin'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly ortodoksa fa apokrifa kosa ho an'ny Protestanta.

Ny mpanoratra dia nandray ireo lohahevitra hita ao amin'ny tantaran'ny Jiosy tany aloha, indrindra ny ao amin'ny Bokin'ny Deoteronomia ny amin'ny fitandremana ny Lalàna. Ny Lalàna no zava-dehibe indrindra amin'ny zavatra rehetra ka izany no nampisy ny tsy fifanarahana eo amin'ny mpitandrina ny Lalàna sy ireo manohitra izany. Voninahitra lehibe ny maty amin'ny ady mitam-piadiana entina hiarovana ny Lalàna ary ny fanompoana ny tanindrazana dia fanompoana an'Andriamanitra.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]