Hasmoneana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Emblem of the Hasmonean dynasty.svg

Ny Hasmoneana dia fianakaviana tonga teo amin'ny fitondrana ara-politika sy ara-pivavahana tao Jodea (na Jodia) tamin'ny vanimpotoana nisian'ny fikomian'ny Makabeo natombok'ilay mpisorona atao hoe Matatia na Matatiasy avy amin'ny taranak'i Jehojariba (Yehoyarib) tamin'ny taona 168-167 tal. J.K. sady nohatevenin'ireo Jiosy atao hoe Hasideana. Ao amin'ireo boky kristiana dia atao hoe Makabeo koa ny Hasmoneana. Maty i Matatià iray taona taorian'ny nipoahan'ny fikomiana. Ny zanany lahy atao hoe Jodasy Makabeo (na Jodà Makabeo), izay tsy lahimatoa, no nandimby an'i Matatià. Maro ny ady natrehin'i Jodasy Makabeo talohan'ny hahazoany indray an'i Jerosalema sy hamerina indray ny fanompoam-pivavahana jiosy ao amin'ny Tempoly tamin'ny taona 164 tal. J.K. I Jonatàna, izay nandimby an'i Jodasy Makabeo, no nisalotra voalohany ny anaram-boninahitra hoe mpisoronabe nandritra ny folo taona, teo anelanelan'ny taona 152 sy 142 tal. J.K.

Ireo Hasmoneana taorian'i Jonatàna[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo Makabeo na Hasmoneana nifandimby taorian'i Jonatàna:

  • Simona Makabeo (142-134 tal. J.K.), rahalahin'i Jonatàna Makabeo;
  • Joany Hirkano I (134-104 tal. J.K.), zakaka lahy faharoan'i Simona Makabeo;
  • Aristobolo I (104-103 tal. J.K.), zanaka lahin'i Joany Hirkano I, izay nanao ny tenany hoe mpanjaka;
  • Aleksandro Janeo (na Aleksandro Jonatàna) (103-76 tal. J.K.), rahalahin'i Aristobolo I;
  • Salome Aleksandra (76-67 tal. J.K.), vadin'i Aristobolo I avy eo vadin'i Aleksandro Janeo;
  • Joany Hirkano II sy Aristobolo II, zanak'i Aleksandro Janeo, izay niady ho mpanjaka sy ho mpisoronabe;
  • Antigonosy II Matatià (40 - 37 tal. J.K.), faralahin'i Aristobolo II, mpanjaka sy mpisoronabe hasmoneana farany.

Fiitaran'ny fanjakan'ny Hasmoneana[hanova | hanova ny fango]

Fiitaran'ny fanjakana hasmonena


Jereo koa[hanova | hanova ny fango]