Joany Hirkano I

Avy amin'i Wikipedia

I Joany Hirkano I dia zanaka lahin' i Simôna Makabeo sady mpandimby azy, izay nanapaka teo anelanelan' ny taona 134 sy 104 tal. J.K. Izy no faralahin' i Simôna izy nandimby azy tamin' ny andraikiny talohan' ny nitakian' ireo mpanohitra azy an' izany andraikitra izany. Nanafaka an' i Jodea (na Jodia) tamin' ny fangejan' ny Siriana i Joany tamin' ny alalan' ny fandefasana tafika hiady amin' ny tafik' i Siria i Joany Hirkana. Nanitatra ny veleran-tany notapahiny izy ka isan' izany ny faritanin' i Idomea, ny faritanin' i Samaria, ny ampahan-tanin' i Galilea (na Galilia) ary ny tany ao atsinanan' i Jordàna. Nanjanaka an' ireo faritra ireo izy sady nanery ny ankamaroan' ny mponina tao aminy hanaraka ny fivavahana jiosy, dia ny jodaisma izany. Na dia tsy nanao ny tenany ho mpanjaka aza i Joany dia nanapaka tanaty lapa ka nanao ny tenany ho mpisoronabe sy lohan' ny vahoaka jiosy sady nanamboatra vola nisy ny sariny. Nankasitraka zavatra sasany tamin' ny kolontsaina grika izy ka maneho izany ny nanovany ny anarana hebreon' ny zanany lahy ho anarana grika. Ny fihatahany tamin' ny tanjon' ireo Hasmôneana voalohany dia niteraka fanoherana avy amin' ny ampahan' ny vahoaka izay nantsoina amin' ny anarana hoe Fariseo (na Farizianina) taty aoriana.

Maty tamin' ny taona 104 i Joany Hirkano.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]