Simôna Makabeo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Simona Makabeo)

I Simôna Makabeo dia zanaka lahin' i Matatià (na Matatiasy) sady mpandimby an' i Jônatàna rahalahiny. Tamin' ny taona 142 tal. J.K. izy dia nanao fifanarahana tamin' ny fanjakana siriana fa i Jodea (na Jodia) dia hatao fanjakana mahaleo tena. Noroahina hiala amin' ny tanànan' i Jerosalema ny Siriana rehetra. Tamin' ny taona 141 dia nivory ny vahoaka sy ny mpisorona jiosy rehetra ka nifidy an' i Simôna ho mpisoronabe sady ho mpanapaka (governora), ka nanomboka tamin' izay ny raharahan' ny mpisoronabe sy ny an' ny governora dia nifandovan' ny fianakavian' i Simôna, izay atao hoe Hasmôneana. Rehefa nanapaka nandritra ny enina taona i Simôna dia novonoin' ny vinantolahiny, tamin' ny taona 135 tal. J.K. no nisehoan' izany.

Atao hoe שמעון התסי / Shimeon HaTasi izy amin' ny teny hebreo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]