Boky deoterokanonika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny boky deoterokanonika na deoterôkanônika dia boky filamatry ny finoana (na kanonika) hita ao amin'ny Baiboly sasany (indrindra ny an'ny Katolika sy ny an'ny Ortodoksa) nefa tsy isan'ny boky filamatry ny finoana ao amin'ny Baiboly hafa (indrindra ny an'ny Protestanta). Amin'ny Katolika sy ny Ortodoksa, ny boky deoterokanonika dia mitovy lanja amin'ireo atao hoe boky protokanonika izay samy filamatry ny finoana mitovy aminy. Ny Testamenta Taloha no tena fantatra fa misy boky deoterokanonika. Tsy hita ao amin'ny Tanakh (Baiboly hebreo) izy ireo. Ny Kanona katolika sy ortodoksa dia fitambaran'ny boky protokanonika sy ny boky deoterokanonika. Samy manana ny lisitry ny boky izay ataony hoe deoterokanonika ny Fiangonana katolika sy ny ireo Fiangonana ortodoksa ary ny Fiangonana anglikana.

Miantso ny ankamaroan'izy ireo hoe "boky apokrifa" ny Protestanta. Ireo boky tsy ao anatin'ny lisitry ny boky apokrifa protestanta dia ataony hoe boky pseodepigrafa. Ny boky tsy isan'ny protokanonika sy deoterokanonika no ataon'ny Katolika hoe boky apokrifa. Mitovitovy hevitra izany ny hoe pseodepigrafa (protestanta) sy ny hoe apokrifa (katolika).

Fiforonan-teny:[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe deoterokanonika dia fanakambanana ny teny grika hoe deotero sy ny koe kanon. Ny hoe deoterokanonika dia midika hoe "filamatra faharoa" izany hoe "filamatra faharoan'ny finoana". Atao hoe kanona faharo izy ireo satria taty aoriana vao nekena ho koanonika mitovy amin'ireo boky protokanonika.

Ny boky deoterokanonikan'ny Testamenta Taloha[hanova | hanova ny fango]

Ny boky deoterokanonikan'ny Baiboly katolika[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo boky deoterokanonika ao amin'ny Baiboly katolika: Bokin'i Tôbita (na Tôbia), Bokin'i Jodita, Boky voalohan'ny Makabeo, Boky faharoan'ny Makabeo, Bokin'ny Fahendrena (na Fahendren'i Salômôna), Bokin'i Siràka (na Bokin'ny Ekleziastika), Bokin'i Baroka, fanampin'ny Bokin'i Estera tamin'ny teny grika ary fanampin’ny Bokin'i Daniela. Ireo boky ireo dia iraisan'ny Baiboly katolika sy ny Baiboly artodoksa.

Ny boky deoterokanonikan'ny Baiboly ortodoksa[hanova | hanova ny fango]

Ny an'ny Ortodoksa tatsinanana[hanova | hanova ny fango]

Ny Baiboly ortodoksa tatsinanana dia manampy boky roa hafa: dia ny Boky fahatelon'ny Makabeo sy ny Boky voalohan'i Esdrasa (na Boky fahatelon'i Esdrasa). Ny Salamo faha-151 sy ny Vavak'i Manase sy ny Boky fahefatry ny Makabeo ary ny Boky faharoan'ny Esdrasa (na Boky fahefatr'i Esdrasa) dia tafiditra amin'ny sokajy ambany lanja kokoa ka indraindray atao tovana ao amin'ny Baiboly.

Ny an'ny Ortodoksa etiopiana[hanova | hanova ny fango]

Ankoatr'ireo boky deoterokanonika voatanisa etsy ambony dia ireto koa no fanampiny ao amin'ny Baiboly ortodoksa etiopiana: ny Bokin'i Henoka (na Boky voalohan'i Henoka), ny Bokin'ny Jobily (izay ataony hoe Kofale) ny Boky voalohan'ny Mekabiana, ny Boky faharoan'ny Mekabiana ary ny Boky fahatelon'ny Mekabiana. Ny hoe Mekabiana dia tsy afangaro amin'ny hoe Makabeo.

Ny boky deoterokanonika ao amin'ny Baiboly anglikana[hanova | hanova ny fango]

Ny Baiboly anglikana dia mampiditra boky deoterokanonka fanampiny raha mitaha amin'ny an'ny Baiboly katolika. Ireto avy izany: Ny Boky voalohan'i Esdrasa (atao hoe koa : Boky fahatelon'i Esdrasa) sy ny Boky faharoan'i Esdrasa (atao hoe koa : Boky fahefatr'i Esdrasa) ary ny Vavak'i Manase.

Ny fiheveran'ny Protestanta ny boky deoterokanonika[hanova | hanova ny fango]

Ny ankamaroan'ireo boky deoterokanonika dia ataon'ny Protestanta hoe apokrifa, dia ireo boky deoterokanonika ao amin'ny Baiboly katolika. Ny boky deoterokanonika sisa rehetra ao amin'ny Baiboly ortodoksa dia tafiditra ao amin'ny ataony hoe pseodepigrafa. Ny boky apokrifa dia lazainy hoe tsara vakina ihany.

Boky apokrifa:

Boky pseodepigrafa

Tsy ireo ihany ny boky pseodepigrafa (na apokrifa amin'ny Katolika) fa misy maro dia maro (jereo: Apokrifan'ny Baiboly).

Ireo boky deoterokanonikan'ny Testamenta Vaovao[hanova | hanova ny fango]

Tsy boky hafa fa ny sasany amin'ireo efa ao amin'ny Testamenta Vaovao eken'ny Fiangonana kristiana rehetra ho kanonika no omen'ny sasany anarana hoe deoterokanonika na koa antilegoumena amin'ny teny grika (izay midika hoe "iadian-kevitra"). Ireto avy izy ireo: ny Epistily ho an'ny Hebreo, ny Epistily nosoratan'i Jakoba, ny Epistily faharoa nosoratan'i Petera, ny Epistily faharoa nosoratan'i Joany, ny Epistily fahatelo nosoratan'i Joany, ny Epistily nosoratan'i Joda ary ny Apokalipsan'i Joany. Ireo boky ireo dia tsy tahaka ireo atao amin'ny teny grika hoe homologoumena (midika hoe "tsy iadian-kevitra") izay lazaina koa hoe protokanonika. Tsy dia fandre matetika anefa ireo teny ireo.

Ny ankamaroan'izay boky niadian-kevitra betsaka nefa tsy tafiditra tao amin'ny Baiboly dia atao hoe Boky apokrifa kristiana.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]