Boky fahefatry ny Makabeo
Ny Boky fahefatry ny Makabeo dia boky ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa any Jeôrjia nefa tsy hita ao amin' ny Baiboly hebreo na ny Baiboly katôlika sy prôtestanta izay manasokajy azy ho apôkrifa na pseodepigrafa. Mamelabelatra ny lohahevitry ny fanajana ny Lalàna izay manampy ny saina hifehy ny fihetseham-po io boky io. Derainy ny fahafatesan' ireo nanao sorona ny ainy tantaraina ao amin' ny Boky faharoan' ny Makabeo. Endrika isehoan' ny eritreritra mifehy ny fihetseham-po tsy voasaina ny fahafatesana martiora.
Fitantarana
[hanova | hanova ny fango]Voaresak' ity boky ity ny fotoana nanombohan' ny fanenjehana ny Jiosy nataon' ny mpanjakan' i Siria, dia i Antiôkôsy IV Epifanesy, nefa tsy miresaka ny amin' ny fanoherana nataon' ny Makabeo izy io.
Fampianarana
[hanova | hanova ny fango]Lohahevi-dehiben' ny boky ny fijalian' ny maritiora (ny Makabeo) izay lazainy fa misolo ny fanompoana tokony hataon' ny firenena jiosy iray manontolo handiovana ny fahotany. Miezaka mampifandrindra ny foto-kevitra platônisiana sy stôiiana amin' ny Lalàna jiosy ity boky ity mba hanehoany fa mifanojo ny fivavahana jiosy sy ny filôzôfia helenista.
Mino ny tsy feteza-matin' ny fanahy ny mpanoratra, nefa tsy miresaka ny amin' ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty[1]. Ny fanahy tsara dia lazainy fa hiaina mandrakizay amim-pahasambarana miaraka amin' ireo patriarka sy Andriamanitra.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ The Access Bible (Oxford University Press, 1999), Apocrypha 330.