Aller au contenu

Platônisma

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny lohan' i Platôna

Ny platônisma na ny realisman' ny hevitra dia fitambarana rijan-kevitra ara-pilôzôfia ahitana ny tsangan-kevitra momba ny "endrika" nataon' i Platôna sy ny andian-tsangan-kevitra nentanin' ny aingam-panahy avy amin' izany. Ny tsangan-kevitra iraisan' ny platônisma samihafa dia ny fisian' ny zavatra azon' ny saina takarina tsy miankina amin' ny fisainan' olombelona, izay azo takarina amin' ny alalan' ny saina irery tsy misy filana fanampiana amin' ny traikefan' ny taovam-pandrenesana.

Ireo zavatra azon' ny saina takarina ireo, arakaraka ny sampan' ny platônisma heverina, dia mety ho voan-kevitra (hevitra ankapobeny, tahaka ny an' i Plôtinôsy na ny an' i Aogostino), ny isa (platônisma matematika ao amin' ny pitagôrisma, toy ny an' i Iamblikôsy na ny an' i Lautman), na koa ny sanda lôjika (ny lôjisisman' i Frege ohatra).

Ny platônisma dia iray amin' ny valinteny azo omena, miaraka amin' ny nôminalisma (William of Ockham) sy ny kônseptoalisma (Pierre Abélard), momba ny fifandirana ny amin' ny zavatra na toetra mety ho hita ao amin' ny zavatra maro (atao hoe "universaux") izay mahakasika ny sata ôntôlôjikan' ny voan-kevitra (hevitra, isa na vontoatin' ny fehezan-kevitra).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]