Iamblikôsy

Avy amin'i Wikipedia
Iamblikôsy

I Iamblikôsy dia filôzôfa neôplatônisiana manam-piaviana arabo. Teraka tamin' ny taona 250 tany Chalcis ad Belum (Siria, faritany rômana) ary maty tamin' ny taona 330 tany ho any izy.

Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἰάμβλιχος / Iámblikhos, amin' ny teny arabo atao hoe يَمْلِكُ / Yamlīḵū, ary amin' ny teny arameana 𐡉𐡌𐡋𐡊𐡅 / Yamlīḵū, amin' ny teny latina sy amin' ny teny anglisy atao hoe Iamblichus, amin' ny teny frantsay Jamblique,

Tokony tamin' ny taona 275 no nidirany tao amin' ny sekoly neôplatônisiana tao Rôma, sekoly izay notarihin' i Pôrfiriôsy avy any Tirôsy (mpianatr' i Plôtinôsy). Niverina tany Siria izy avy eo mba hampianatra filôzôfia any Apamea. I Iamblikôsy no manam-pahaizana fahatelo ao amin' ny sekoly neôplatôniana any Rôma, taorian' i Plôtinôsy sy Pôrfiriôsy. Ny neôplatônisma dia fiovana avy amin' ny fampianarana aristôtelisiana sy platônisiana izay nipoitra tany Ejipta, tao Aleksandria (Amôniôsy Sakasy), nivoatra tany Italia (Plôtinôsy), mihalalina tany Rôma (Pôrfirôsy), nifindra any Siria (Iamblikôsy) sy any Atena (Sirianôsy sy i Prôklôsy).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]