Pôrfiriôsy

Avy amin'i Wikipedia
Pôrfiriôsy

I Pôrfiriôsy na Pôrfiriôsy avy any Tirôsy dia filôzôfa neôplatônisiana manam-piaviana fenisiana. Mpianatr' i Plôtinôsy izy. Teraka tao Tirôsy na Tiro na Tira izy tamin' ny taona 234 ary maty tamin' ny taona 305 tao Rôma. Atao hoe Πορφύριος / Porphýrios izy amin' ny teny grika fa فُرْفُورِيُوس / Furfūriyūs kosa amin' ny teny arabo.

Nanatanteraka ny asasorany tamin' ny teny grika momba lohahevitra isan-karazany izy, hatramin' ny teôrian' ny mozika sy momba an' i Hômera ka hatramin' ny tsy fihinanan-kena (fihinanana zavamaniry). Nandamina ny asasoratr' i Plôtinôsy izy ao amin' ny asasoratra atao hoe Ἐννεάδες / Enneades ary nanoratra ny tantaram-piainan' ity farany taorian' ny nahafatesany ao amin' ny asasoratra mitondra ny lohateny hoe Περὶ Πλωτίνου / Peri Plôtinou "Fiainan' i Plôtinôsy". Nalaza koa izy tamin' ny asasorany mitondra ny lohateny hoe Εἰσαγωγὴ εἰς τὰς Ἀριστοτέλους κατηγορίας / Isagogè eis tas Aristotelous categorias ("Fampidirany ny Sokajin' i Aristôty") izay fampidiran-dresaka momba ny lôjika sy ny filôzôfia, sady boky fampianarana mahazatra momba ny lôjika nandritra ny Andro Antenatenany tamin' ny dikanteny latina sy arabo. Nandray anjara tamin' ny fampidirana ny neôplatônisma teo amin' ny sehatra kristiana, tamin' ny alalan' i Marius Victorinus, hatramin' i Aogostino sy i Claudian Mamert izy. Nalaza tamin' ny adihevitra manohitra ny Kristiana izy ao amin' ny asasorany mitondra ny lohateny hoe Κατὰ Χριστιανῶν / Kata Khristianôn ("Manohitra ny Kristiana") izay noraran' i Kônstantino Lehibe sady very ankehitriny.