Siria (faritany rômana)

Avy amin'i Wikipedia
Faritany rômanan' i Siria

I Siria dia iray amin' ny faritany manan-danja indrindra tao amin' ny Empira Rômana, na amin' ny harenany na amin' ny lafiny ara-tafika. Nanomboka teo amin’ ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin’ ny ony Eofrata ny fivelarany. Ambohi-pihaonan' ny sivilizasiôna izy, anisan' izany ny Arameana sy ny Fenisiana, nandray ny kolontsaina grika ny ankamaroany.