Aller au contenu

Sekoly pitagôrisiana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Pitagôrisma)
Ao amin' ny sary hosodoko nataon' i Raphael mitondra ny lohaterny hoe Ny Sekolin' i Atena, i Pitagôra dia aseho manoratra amin' ny boky iray fa ny tovolahy iray dia nanolotra azy takela-bato mampiseho an-tsary ny teôrian' ny mozika amin' ny lira eo ambonin' ny sarin' ny tetrada masina.

Ny sekoly pitagôrisiana na pitagôrisma dia naorin' i Pitagôra (580-495 tal. J.K.) ao Grisia Lehibe ka nahaforona fikambanam-pirahalahiana izay sady ara-tsiansa sy ara-pivavahana: ny pitagôrisma dia mifototra amin' ny fanombohan' ny zazavao sady manolotra ny mpanaraka azy ny fomba fiaina araka etika sy ny ara-tsakafo, ary koa fikarohana siantifika momba ny izao rehetra izao (kosmos). Na dia misy mitsipaka aza ny teny hoe "sekoly ara-pilôzôfia" ka aleon' ny olona miantso ny pitagôrisma hoe sekta, ity fikambanana ity, izay ara-pivavahana sy ara-pôlitika ary ara-pilôzôfia, dia naharitra taranaka sivy na folo, ary nalaza be tamin' ny Andro Taloha grika sy rômana. Nandray ny teny grika hoe μαθήματα / mathếmata, izany hoe "fandalinana", ny mpikambana ao aminy mba hanondroana ny sampam-pahalalana maro izay namorona ny siansa manokana avy: nandinika ny siansa momba ny isa, ny fototry ny akostika sy ny teôrian' ny mozika, ny fotopototry ny jeômetria, ny hetsiky ny kintana sy ny kôsmôlôjia, sady nifikitra amin' ny foto-pampianaran' ny fivavahana ôrfika momba ny fifindran' ny fanahy avy amin' ny vatana iray mankamin' ny vatana hafa.

Ny pitagôrisma sy ny angano niforona nanodidina azy dia betsaka tsy mazava ary ny lohahevitra ao aminy dia mampiady hevitra. Amin' ny fanavahana "ireo izay antsoina hoe Pitagôrisiana" sy i Pitagôra tenany, i Aristôty dia nanalavitra ny fanehoan-kevitra momba ny tena fifandraisan' ny eritreritr' izy ireo sy ny an' ilay filôzôfa; ny lovantsofina taty aoriana, izay tsy niraharaha an' io fanavahana io, dia tsy isalasalana fa nankasitraka ny famoronana lahatsoratra pseodepigrafa marobe izay lazaina fa nosoratan' i Pitagôra na ny Pitagôrisiana fahiny. Vao tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K. no nisehoan' ny fanehoana voalohany momba ny fomba fiainana pitagôrisiana. Taorian' ny nahafatesan' i Pitagôra dia ny vadiny, ilay mpahay matematika Teanô, no nitarika ilay sekoly.