Sekoly pitagôrisiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny sekoly pitagôrisiana naorin' i Pitagôra (580-495 tal. J.K.) ao Grisia Lehibe ka nahaforona fikambanam-pirahalahiana izay sady ara-tsiansa no ara-pivavahana: ny pitagôrisma dia mifototra amin' ny fampianarana sady manolotra ny mpanaraka azy ny fomba fiaina araka etika sy ny ara-tsakafo, ary koa ny fikarohana siantifika momba ny kosmos (izao rehetra izao). Na dia misy mitsipaka aza ny teny hoe "sekoly ara-pilôzôfia" ka aleon' ny olona miantso ny pitagôrisma hoe sekta, ity fikambanana ity, izay ara-pivavahana sy ara-pôlitika ary ara-pilôzôfia, dia naharitra taranaka sivy na folo, ary nalaza be tamin' ny Andro Taloha grika sy rômana. Ny mpikambana ao aminy dia nandray ny teny hoe fandalinana, amin' ny teny grika hoe μαθήματα / mathếmata, mba hanondroana ny sampam-pahalalana maro izay namorona ny siansany manokana avy: nandinika ny siansa momba ny isa, ny fototry ny akostika sy ny teôria momba ny mozika, ny fotopototry ny jeômetria, ny hetsiky ny kintana sy ny kôsmôlôjia, sady nifikitra amin' ny foto-pampianaran' ny fivavahana ôrfika momba ny fifindran' ny fanahy avy amin' ny vatana iray mankamin' ny vatana hafa.

Ny pitagôrisma sy ny angano niforona nanodidina azy dia betsaka tsy mazava ary ny lohahevitra ao aminy dia mampiady hevitra. Amin' ny fanavahana "ireo antsoina hoe Pitagôrisiana" sy i Pitagôra tenany, i Aristôty dia nanalavitra ny fanehoan-kevitra momba ny tena fifandraisan' ny eritreritr' izy ireo sy ny an' ilay filôzôfa; ny lovantsofina taty aoriana, izay tsy niraharaha an' io fanavahana io, dia tsy isalasalana fa nankasitraka ny famoronana lahatsoratra pseodepigrafa marobe izay lazaina fa nosoratan' i Pitagôra na ny Pitagôrisiana fahiny. Vao tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K. no nisehoan' ny fanehoana voalohany momba ny fomba fiainana pitagôrisiana. Taorian' ny nahafatesan' i Pitagôra dia ny vadiny, ilay mpahay matematika Teanô, no nitarika ilay sekoly.