Hankany amin'ny vontoatiny

William of Ockham

Avy amin'i Wikipedia
William of Ockham
Ankapobeny
AnaranaWilliam of Ockham
Teraka1 Janoary 1288
Toerana-
Maty1 Janoary 1347
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFanjakana Mitambatra
Asa :
Fiainana manokana

I William of Ockham dia filôzôfy sy mpahay lôjika ary teôlôjiana anglisy, teraka tamin' ny taona 1288 ary maty tamin' ny 9 Avrily 1347, tao amin' ny fikambanana fransiskana, izay azo heverina fa anisan' ny sangany tao amin' ny sekoly skôlastika nôninalista, izay nifanandrina tamin' ny sekoly tômista sy skôtista. Antsoina amin' ny teny frantsay hoe Guillaume d'Ockham na Guillaume d'Occam izy. Ny fampianarany dia nahiahin' ny fahefam-piangonana ho fampianaran-diso (herezia) satria maro amin' ny fotokevitra ampianarin' ny teôlôjia nolovaina hatry ny ela no iverenany tsikeraina ary satria tsikerainy ny fihamboana ho afaka manaporofo ny fisian' Andriamanitra.

Notoheriny koa ny fototra anorenana ny fahefana ara-pôlitikan' ny papa ao amin' ny asa sorany maro momba ny pôlitika, ka niombony hevitra tamin' ny emperora Louis IV de Bavière izay niady tamin' ny papa izany. Hita taratra ao amin' ny filôzôfian' i Ockham ny tandindon' ny siansa môderna sy ny empirisma anglisy ary ny filôzôfia analitika, satria manantitra ny tokony hiaingana amin' ny zava-misy marina azo tsapain-tanana sy amin' ny karazana fanjohian-kevitra ampiasaina ao amin' ny lahateny manaraka ny lalànan' ny saina izy, fa tsy miankina amin' ny anjoanjo metafizika momba ny fiziana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.